Tsy misy taratasy nahaterahana, tsy misy maha-olona ara-dalàna, manana olana amin’ny taratasy ara-panjakana,... Ireo no zava-misy iainan’ny Malagasy an-tapitrisany, ary io no antony nanapahan’ny governemanta hevitra hanokatra lalana vaovao amin’ny alalan’ny fisoratana anarana biometrika. Olon-dehibe hatrany amin’ny 6 tapitrisa no voalaza fa tsy manana na misy olana ny taratasy mombamomba azy. Tamin’ny volana Mey 2026, nankatoavina ny lalàna mamela ny fisoratana anarana faobe tsy mila mandalo fitsarana intsony, manaisotra ny sakana ara-pitsarana sy ara-bola izay nahatonga olon-dehibe maro ho very zo fototra. Nanomboka tamin’ny volana aprily ny hetsika nasionaly “Izaho Tokana”, tohanan’ny tetikasa PRODIGY sy ny Banky Iraisam-pirenena. Ekipa miisa 2 000 no mandrindra ny fisoratana anarana manerana ny faritra, miaraka amin’ny fanampian’ny lehiben’ny fokontany 19 000 mahery izay manamarina ny maha-izy azy ireo tsy manana antontan-taratasy, raha ny tatitra. Hatramin’ny 10 Jona, efa nahatratra 3,25 tapitrisa ny olon-dehibe voasoratra, ka 50 000 tamin’ireo no tsy nanana antontan-taratasy mihitsy taloha. Ny tatitra ny 25 jona teo kosa no namoaka fa fa 5 600 000 ny olona efa voasoratra anarana, ary voakasika avokoa ny kaominina rehetra manerana an’i Madagasikara, izany hoe 200% amin’ny tanjona no tratra. Ny tanjona dia ny hanomezana taratasy nahaterahana sy karatra maha-olona ho an’ny rehetra, fototra ilaina hahafahana miditra amin’ny asa ara-dalàna, amin’ny sehatra ara-bola ary amin’ny tolotra maro avy amin’ny fanjakana. Na izany aza, mbola mijanona ho sakana ny fanatrarana ireo mponina any amin’ny faritra lavitra sy ny fanambarana tara amin’ny nahaterahana. Kendren’ny manampahefana ny hanohy ny fandefasana ekipa mandehandeha, hampitombo ny fandraisan’anjaran’ny fiarahamonina ary hanatanteraka fanavaozana vaovao, mba hahazoan’ny Malagasy tsirairay maha-olona ara-dalàna hatramin’ny fahaterahany.
Toky R
Nihaona tamin'ny Filohan’ny Komisionina ny