airtel

Actualités

17-juin-2024

Fitadiavana Tale Jeneralin’ny Bianco

8 tamin’ny 33 no hiatrika sivana arak’asa

Sample post image

Taorian’ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo maniry ho Tale Jeneralin’ny Bianco

17-juin-2024

nifarana ny 15 jona, miisa 8 ireo kandida voatazona handalo fanadihasiana arak’asa. Nahatratra 33 ireo nandefa ny antontan-taratasiny tamin’ny komity manokana miantsoroka izany, ka vehivavy ny 5 tamin’ireo. Adminisitratera sivily, polisy, zandary, mpitsara, mpikamban’ny rafitra miady amin’ny kolikoly, ary avy amin’ny sehatra tsy miankina ireo nandefa ny antontan-taratasiny. Ny Filohan’ny Repoblika no hanendry amin’ny alalan’ny didim-panjakana aorian’ny fivoahan’ny anarana miisa 3 hisafidianana mivoaka avy eo anivon’ny « comité ad hoc » narafitry ny CSI ny komity mitandro ny fahintsiana. Tsara hatrany ny mampahatsiahy, fa tany amin’ny taona 2004 nitondran’i Marc Ravalomanana no namoronana ny Bianco, ka tanjona ny ady amin’ny kolikoly, Fanjakana tsara tantana,… Ny Bianco no rafitra nitsangana voalohany tamin’ireo rafitra 5 mandrafitra ny « système anti-corruption » dia ny PAC fitsarana momba ny kolikoly, ny SAMIFIN miantsoroka ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny ady amin’ny famatsiana ara-bola ny asa fampihorohoroana, ny ARAI miantsoroka ny fanagiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-drariny, ny CSI na ny Komity miaro ny fahintsiana, ary ny Bianco izay birao misahana ny ady amin’ny kolikoly. Ny 2008 isika no tsara toerana indrindra teo amin’ny filaharana maneran-tany momba ny ady amin’ny kolikoly satria tany amin’ny laharana faha-80. Ny taona 2023 dia laharana faha-145 amin’ny 180, tsy manana isa afatsy 25/100, araka ny fanasokajian’ny Transparency International. Vao tsy ela no nosokajian’ny World Justice Project fa anisan’ireo firenena 10 voalohany ahitana kolikoly be indrindra satria eo amin’ny laharana faha-134 amin’ny firenena 142, ary tsy nahazo isa afatsy 0,27. Rafitra eo ambany fiahian’ny Fiadidian’ny Repoblika ny Bianco izay mety ho antony iray hahafaha-miady hevitra momba ny fahaleovantenany. Tsy finiavana hitsikera fa arakaraka ny fahafenoan’ireo rafitra no toa vao mainka mampirongatra ny kolikoly. Tsy feno ve ny fepetra hahafaha-mampihena sy mandresy izany sa ny finiavana mihitsy no tsy misy na tsy ampy?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap