airtel

Actualités

16-mai-2025

FITAKIANA HETRAN –TRANO SY HETRAN-TANY

Tokony hatao eny amin’ny Fokontany aza, hoy Randriantsoa Jimmy

Sample post image

Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny

16-mai-2025

Kaominina hoy Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’Alasora ny fitakiana ny hetran-trano sy ny hetran-tany amin’ny vahoaka eny ifotony. Betsaka amin’ny mponina mantsy hoy izy no matahotra miditra birao koa na ny mandeha eny anivon’ny kaominina aza efa tena mampahalaina azy, mainka fa handany fotoana sy saran-dalana hanatona ny ivon-toerana fandoavan-ketra ? Ho an’ny Kaominina Alasora izay hiadidiany manokana dia nambarany fa raha 5% ny tahan’ny fandoavan-ketra tao aminy tamin’ny fotoana nitantanany voalohany ny kaominina dia efa mba tafakatra 30% izany ankehitriny. Mbola ireo olona manana fari-piainana antonony ihany koa anefa no mandoa izany raha ny nambarany fa ireo voasokajy ho mpanam-bola tsy misy mivaky loha. Manahy mafy ny mety hitontonganan’ny tahan’ny fandoavan-ketra ho an’ny kaominina rehetra ity Ben’ny tanana ity noho izany. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia kasain’ny Fitondram-panjakana hafindra eny anivon’ny ivon-toeram-pandoavan-ketra ny fandoavana hetran-trano sy hetran-tany ho an’ny olom-pirenena. Miditra avy hatrany any amin’ny tresor ny tahirim-bolam-panjakana izany avy eo izay vao miverina mankany amin’ny kaominina indray. Tokony hojeren’ireo Solombavambahoaka ny mikasika io lalana vaovao kasain’ny Fitondram-panjakana hampiharina manomboka amin’ity taona 2025 ity io hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity. Vahaolana arosony ihany koa ny tokony hanamaivana ny fandoavan-ketra amin’ny alalan’ny finday ohatra hiarahana amin’ny Ministeran’ny vola sy ny fitantanam-bola hanalana fahasahiranana ny Kaominina sy ny vahoaka.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’ny Kaominina Alasora !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap