airtel

Actualités

08-sept-2023

Fitantanan-draharaham-panjakana

Mihamafy ny ahiahy amin’ny fitanilana politika

Sample post image

Mitombo ny ahiahy amin’ny mety ho fampiasana ny fahefam-panjakana amin’ny fampandaniana ny kandidam-panjakana amin’ny fifidianana.

08-sept-2023

Iny efa niaraha-naheno iny ohatra ny firesaky ny Minisitry ny asa tanana Rtoa Sophie Ratsiraka tapa-bolana lasa izay fa diso hevitra sy diso làlana ny Arema nandrotsaka an’I Annick Ratsiraka rahavaviny ho kandida, ka nilazany fa manohana an-dRajoelina izy satria mbola any aminy ny “administration” sy ny vola. Hita taratra tokoa ny filalaovana io fahefana io amin’ny fanohintohinana ny fahalalan’ireo kandida hafa, ny fanambazana miseho amin’ny endrika samihafa. Araka ny vaovao azo omaly, ohatra, dia ho tonga ao Mahajanga anio zoma 8 septambra 2023 ny Minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Hanolotra moto ho an’ireo Delegen’ny Boriborintany eny amin ny Résidence bord de la mer, raha tsy misy ny fiovana. Manamafy ny ahiahy politika kosa anefa ny endrika fizarazarana zavatra sy karazana fanambazana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny miantsoroka mivantana na ankolaka ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Fifandrifian-javatra ihany ve ny hoe: amin’izao mialohan’ny fifidianana izao no mandeha ireny sa tetika politika hoenti-manome toromarika ara-pifidianana hampandaniana ny kandidam-panjakana? Volam-bahoaka ve no nividianana an’ireny zavatra zavaraina ireny sa volan’antoko manokana? Teo aloha dia ireo Prefe sy Lehiben’ny distrika no nampanaovina iraka manokana hampahafantatra sy hanao karazana fandokafana ny zavatra vitan’ny Fanjakana, asaina midina ifotony,… Tena voahaja ve ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenena izay milaza ny tsy tokony hiandanian’ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny loko politika?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap