airtel

Actualités

27-mai-2025

«Mobile money» nikatso efa ho tapak’andro

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro

Sample post image

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

27-mai-2025

fa indrindra, ireo mpandraharaha madinika misehatra amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na «Mobile money», raha nikatso efa ho tapak’andro izany ny marainan’ny omaly alatsinainy ka hatramin’ny 11 ora sasany teo. Ny MVola moa no tsy nandeha, raha ny fanadihadiana natao. Ireo lasa manana fahazarana tsy mitahiry vola taratasy anya m-paosy intsony no tena velon-taraina satria na dia vola hividianana sigara aza, hoy ny raim-pianakaviana iray izao, izao hitanao izao fa tsy misy nefa ilay izy mikatso. Tapaka ny fihariana ary nilatsaka be ny fidiram-bola, raha ny fitarainan’ireo mpandraharaha amin’itony antsoina hoe «Cash point» itony kosa, vokatry ny tranga tahaka izao. Nezahana nantsoina moa ny tomponandraikitra teo anivon’ity orinasa fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday ity hitondra fanazavàna saingy tsy nandray ny antso ary nisy fotoana aza namono ny laharany mihitsy.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap