indrindra, eo amin’ny resaka fitantanana amin’ny ankapobeny. Na eo amin’ny lafiny fampitomboana sy fanafainganana ny vokatra io na eo amin’ny lafiny fanjifana izay mampifandray ny samy olombelona amin’ny alalan’ireo tekinolojia na hairaha vaovao dia heverina fa efa naman’ny endrika vaovao firosoana amin’ny atao hoe sivilizasionina ankehitriny izany. Mikasa ny hizara ny fahaiza-manaony momba izany moa ankehitriny ireo mpikambana anatin’ny fikambanana voalaza teo. Irosoan’izy ireo, noho izany, ny famolavolana fampizarana dieny mbola zaza ny zanaky ny firenena amin’izay fampiasana hairaha vaovao izay ho isan’ny dingana ho any amin’ny fampandrosoam-pirenena. Ao anatin’izay ny fampiroboroboana ny antsoina hoe “digitalisation” ho an’ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara. Ahafahana manisa ny mponina manomboka amin’ny taona farany ambany ka hatramin’ny farany ambony izany mba hahafahana manafaingana ihany koa ny fizarana ireo soatoavina ara-kolontsaina, fanatanjahantena, mampiofana ireo tanora, indrindra, tovovavy mba ho mahaleotena ara-bola. Eo ny tsy fampiasana taratasy intsony eo amin’ny resaka ara-kasa fa eo ihany koa ny fanabeazana ny vahoaka tsy an-kanavaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana satria dia ho azo ara-potoana foana ny momba ireo zava-misy rehetra izay mitranga, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny