airtel

Actualités

28-sept-2022

Actualités

Fitantanan-draharaham-panjakana Volam-panjakana 51 miliara mahery voahodinkodina

Sample post image

Tao anatin’ny valo volana monja, nahatratra 51 225 212 736Ar ny fanodinkodinana volam-panjakana voatsiriky ny IGE (Inspection Générale de l'État) ny janoary-aogositra 2022,

28-sept-2022

araka ny tatitra nataon’ny IGE notarihin’ny Tale Jeneraliny Randrianarivony Daniel omaly 27 septambra. Fitsirihana natao tamin'ny minisitera, kaominina, orinasam-panjakana,... Azon’ny IGE hatao fanadihadiana avokoa ny sampan-draharaham-panjakana, minisitera,… rehefa mahazo baiko avy amin’ny Filoham-pirenena, izay ahafahana milaza fa misy fetrany ihany ny fahefan’ny IGE, kanefa tena mampiteny ny moana ny tatitra momba ny fanodinkodinana volam-panjakana. Mbola vitsy satria miisa 13 ankehitriny ny “inspecteur d’Etat” am-perinasa manerana ny nosy, ary 7 eo anivon’ny IGE raha toa ka tokony ho 180 izy ireo no hisahana ny andraikitra amin’ny fanarahamaso ny fampiasam-bolam-panjakana sy ny fandehanan-draharaham-panjakana. “Miandry zavatra betsaka amin’ny amin’ny IGE ny vahoaka Malagasy amin’ny fanadihadiana hatrany amin’ny kaominina rehetra. Na dia vitsy aza, naneho fa betsaka ny zava-bita, misy ny minisitera, kaominina, orinasam-panjakana nanaovana fanadihadiana, ka nahitana io fanodikodinam-bola 51 225 212 736Ar tao anatin’izay 8 volana monja izay. Betsaka lavitra ny zavatra vitanay, raha mitombo, dia hihatsara ny fitantanana satria hiha betsaka ny tratra,… Indraindray toa ela ihany ny fivoahan’ny sazy, tsy dia afaka tena miditra, fa mba mampahatsiahy fotsiny izahay hoe: nisy tatitra tahaka izao sy izao, hoy ny Atoa Randrianarivony Daniel. Ankoatry ny mety ho sazy ara-panjakana sy ara-pitsarana, tsy maintsy mamerina manontolo ny vola nahodinkodiny ny tompon'andraikitra ara-panjakana, ary raha sanatria maty izy ka mbola tsy voahefa ny volam-panjakana, dia ny mpandova azy no mizaka ny famerenana izany na tsy fantany aza ny fisiany, araka ny voalazan'ny lalàna. Tsy mifandray anefa ny lafiny ara-panjakana, ara-bola, ara-pitsarana, ka mijanonana eo amin’ny fanaovana tatitra ny an’ny IGE, mandefa tatitra any amin’ny Fiadidian’ny Repoblika izay naniraka azy.
NY FANJAKANA NO TENA TOMPON’NY BAOLINA
Vao andro vitsy, ny 23 septambra 2022 teo no nanao tatitra ny Bianco fa lohalaharana amin’ny kolikoly ny sampan-draharaham-panjakana sy ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana, ary io nohamafisin’ny IGE io. 1188 tamin’ny fitorohana 3500 voaray no azo noraisina. Olona740 efa no natao famotorana, 150 no naiditra am-ponja, 153 ambany fanaraha-mason’ny fitsarana. Vola 15 miliara Ar misoratra amin’olona 5, fiara 17, sambo 1 no isan’ny nogiazana. Na misy aza ny tatitra tahaka izany, dosie goavana maro no mbola matory sy tsy mietsika, indrindra fa ny mahakasika mpitondra ambony. Mety hiviny kely amin’ny kolikoly sy ny afera mandeha ireny, ary voafetra ny fahefan’ny Bianco, IGE,… indrindra moa fa misy an’ity hoe: mila tsodrano sy fandaniana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny fanenjehana olona ambony voasaringotra amin’ny afera maloto sy raharaha kolikoly. Firifiry moa ny raharaha goavana iniana ampatoriana raha tsy hilaza afatsy ny fomba nitantanana ny 1818 miliara Ar tamin’ny coronavirus izay nanaovan’ny Fitsarana momba ny kaonty tatitra? Ny aferam-pitantanan’ireo governora sasany?
Toky R 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

ny fifidianana solombavambahoaka isika manomboka anio.

Card image cap
08-mai-2024

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny horonantsary sy resaka naneho raim-pianankaviana antsoina hoe R….

Card image cap
08-mai-2024

Olona am-polony no naiditra am-ponja vonjimaika any Maroantsetra noho ny resaka lavanila,

Card image cap
08-mai-2024

Nahazo vahana tato ho ato ireo olona na andian'olona mampiasa kaonty sandoka (compte fake)

Card image cap
08-mai-2024

Iray volana mahery eo ho eo sisa dia hiditra tanteraka ao anatin’ny vakansy

Card image cap
08-mai-2024

Sambo Sri-lankais miisa roa no fantatra fa nanjono an-tsokosoko taty amin’ny

Card image cap