Manamafy ny fahavononany amin’ny fitantanana ny faritra arovana Bongolava any Port Berger sy Mampikony ny Fikambanana Bongolava Maitso. Nanambara izy ireo fa hihaona amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana hifampiresaka, hahafahana manohy ny tetikasa amin’ny alalan’ny « sous-mission », hitohizan’ny ny tombontsoa eny ifotony, ary handray toromarika raha misy fanatsarana tokony hatao. Izy ireo no Fikambanana nitantana ela indrindra, 10 taona hatramin’ny 2004, manana rafitra miainga amin’ny fokontany, kaominina, distrika ary faritra. Misy polisin’ala amin’ny fokontany 54, pépinière isaky ny fokontany, misy mpamatsy vola miisa 6 no miara-miasa amin’izao,... Ala maitso 60 000 ha no tantaniny, misy hazo sarobidy toy ny palissandre sy voamboana, misy lac sacré ary biby toy ny akomba, mifamatotra amin’ny tontolo iainana sy kolontsaina, raha ny fanazavan’ Atoa Eustache Gaston, filohan’ny Bongolava Maitso. Mamokatra zanakazo, mahavita fambolen-kazo 5000 isan-taona isaky ny fokontany. Mahatratra amina miliara isan-taona ny fandaniana. Nambarany fa betsaka ny sedra niainana, saingy vavolombelon’ny ezaka ny mpitantana isan’ambaratongany. Ankehitriny anefa, kotrehana mafy ny fanilihana azy ireo, raha ny fanazavana. « Tamin’ny naha lehiben’ny distrikan’i Port Berger ahy no nitsanganan’ny Bongolava Maitso, ary fantatro tsara fa sarotiny tamin’ny fiarovana ny ala izahay. Tamin’ny 2018 anefa, betsaka ny olona namboly katsaka tao amin’ny faritra arovana, niteraka disadisa ka izaho isan’ny lasibatra: nodorana ny tranoko sy fananana mitentina 100 tapitrisa Ar », hoy Atoa Jafasy Bruno, loholona teo aloha. Gaga izahay maheno siosion-dresaka fa misy te hijapy masinina hisosoka amin’ny asa efa natao. Tena miasa ny Bongolava maitso, ka miangavy ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana, ny governemanta, hatramin’ny Filoha, mba hijery ny zava-misy », hoy hatrany Atoa Jafasy Bruno. (…) Manohana ny Bongolava Maitso toy ny fanohanany ny MNP any Boeny sy Diana ny Tafo Mihaavo Nasionaly, hoy ny filohany Atoa Razafimanandraibe Louis de Gonzague. Isaorana, hoy izy, ny Fanjakana miditra sy manao tombana hanatsarana ny fitantanana, fa tsara jerena ihany koa ny ankolafin-kery rehetra, fa tsy olona vitsy na sodisodiana hamelezana ny hafa. Tsara tohizana ny fiaraha-miasa amin’ny Bongolava Maitso, izay efa misy mpiara-miombon’antoka sy vokatra tsara eo anivon’ny raharam-panjakana, indrindra amin’ny DREDD Sofia, mifanaraka amin’ny « convention cadre nationale » eo anivon’ny Tafo Mihaavo Nasionaly sy ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana, hoy ny Filohan’ny Tafo Mihaavo nasionaly.
Toky R
Manamafy ny fahavononany amin’ny fitantanana ny faritra arovana Bongolava any amin’ny distrikan’i Port Berger Mampikony ny Fikambanana Bongolava Maitso. Nanambara izy ireo omaly, fa hihaona amin'ny Minisiteran'ny tontolo iainana, hifampiresaka hahafahana manohy ny tetikasa samihafa sy hitohizan'ireo tombotsoa eny ifotony, handraisana toromarika raha misy fanatsarana tokony hatao,... Izy ireo no nitantana naharitra indrindra satria 10 taona raha atambatra nanomboka ny 2004, manana rafitra miainga amin'ny fokontany, kaominina, distrika, faritra. Manana polisin'ala amin'ny fokontany 54, misy pépinière isaky ny fokontany, mpamatsy vola miisa 6 no miara-miasa amin'izy ireo. Ala maitso eo amin'ny 60 000ha, izay misy hazo toy ny palissandre na voamboana, misy lac sacré, karazam-biby toy ny akomba,... izany hoe mifamatotra amin'ny tontolo iainana sy Kolontsaina. Mahavita fambolen-kazo 5000 isaky ny fokontany isan-taona ankoatra, ary mitohy hatrany ny famokarana zanakazo, hoy Atoa Eustache Gaston Filohan'ny Bongolava Maitso, izay naneho fa betsaka ny sedra niainana, saingy nambarany vavolombelon’ny ezaka nataonay ireo mpitantana isan’ambaratongany. « Tamin'ny naha Lehiben'ny distrikan'i Port Berger ahy no nitsanganan'io Bongolava Maitso io, ary fantatro tsara, isan'ny sarotiny tamin'ny fiarovana ny ala izahay tamin'izany. Tamin'ny 2018 anefa, betsaka ny olona zatra mamboly katsaka amin'ny faritra arovana, ka izaho isan'ny lasibatra, nodorana ny tranoko sy fananana mitentina 100 tapitrisa Ar tamin'ny 2018. Izany no tantara noho ny fiarovana an'io Bongolava Maitso io », hoy Atoa Jafasy Bruno izay loholona teo aloha. Gaga izahay, hoy izy, maheno siosion-dresaka fa misy te hijapy masinina hisosoka amin'ny asa efa natao. Tena miasa ry zareo, tena miasa izahay, ka miangavy ny Minisiteran'ny tontolo iainana, ny governemanta, hatramin'ny Filoha, mba hijery ny zava-misy, hoy Atoa Jafasy Bruno. « Ny Tafo Mihaavo nasionaly, dia nanaraka sy nitondra anjara biriky, niara-niasa hatrany tamin'ny Bongolava Maitso,… Manohana ny Bongolava Maitso toy ny fanohanany ny MNP any Boeny sy Diana ny Tafo Mihaavo nasionaly, hoy ny Filohany Atoa Razafimanandraibe Louis de Gonzague. Isaorana, hoy izy, ny Fanjakana miditra sy manao tombana hanatsarana ny fitantanana, fa tsara jerena ihany koa ny ankolafin-kery rehetra fa tsy olona vitsy na sodisodiana hamelezana ny hafa hampidirana mpisehatra hafa. Tsara tohizana ny fiarahana amin'ny Bongolava Maitso izay misy rahateo ny fiaraha-miasa be dia amin'ireo mpiara-miombon'antoka izay misy vokatra tsara fitantanana amin’ny raharam-panjakana eo anivon'ny DREDD Sofia, izay mifanaraka amin'ny "convention cadre nationale" eo anivon'ny Tafo Mihaavo nasionaly sy Minisiteran'ny tontolo iainana.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»