airtel

Actualités

28-janv-2025

Fitantanana ny kaominina

Tsy olona no olana fa ny fomba fiasa mihitsy

Sample post image

Ankoatry ny hoe misy lalana vaovao, mitombo ny tohamboivoy, mitombo ireo tranobe mijoalajoala,

28-janv-2025

mitombo isa be ny mponina dia tsy hita aloha izay tena fivoarana sy fandrosoana ho an’Antananarivo renivohitr’i Madagasikara. Izay rehetra mandalo eto dia mahatsiakaritra hoe maloto sy mikorontana be ny tanàna.
Mihemotra aza raha ny tena marina satria tany amin’ny taona 1998, 1999 tany mbola nahitana ireo jiro mpandamina fifamoivoizana teto ; ankehitriny 2025, tsy misy intsony. Raha mbola azo atao hoe nilamina ny mpivarotra teny Analakely, Tsaralalana, Petite vitesse, Behoririka tamin’izany, ankehitriny kosa dia tsenabe isan’andro, maloto sady mikorontana.
Ny taona 2002 no mankaty dia ben’ny tanàna 5 sy PDS 6 no nifandimby nitantana an’Antananarivo. Olona manana ny maha izy azy avokoa ireo fa niha nikorontana hatrany anefa ny renivohitra. Rehefa nodinihina dia tsy ny hoe iza no mitantana na avy amin’ny antoko inona loatra no olana fa ilay rafitra ampiasaina sy ny fomba fiasa mihitsy. Ilay asa aman’andraikitry ny ben’ny tanàna mihitsy no tsy mazava, fa toa lasa miankin-doha ihany amin’ny fanjakana foibe kanefa tokony hoe filoham-pirenena kely manana rafitra mpanapa-kevitra sy mpanatanteraka ary manana vina sy fandaharanasa hampandrosoana ny kaominina izy. Anisan’ny porofo mivaingana amin’ny tsy fampiharana ny fitsinjaram-pahefana ireo kaominina eto Madagasikara ; toa ny hanolo ben’ny tanàna no maha maika ny rehetra, ny eo ihany anefa no eo avy eo. Na ny fitantanana ny fako isan’andro aza dia efa olana, ny fandaminana ny tsena, zava-doza, ny fandaminana ny fifamoivoizana , aoka fotsiny, ireo olombelona maro be mivoaka miditra mifamezivezy, tsy hay intsony.
Tsy sanatria maniry ratsy ny ben’ny tanàna vaovao eto Iarivo fa raha mbola ny nataon’ny teo aloha ihany no ho tohizana dia efa very indray izany ny 5 taona manaraka. Tsy ny olombelona no olana fa ilay fomba fiasa mifampidipiditra be, fahefana mifangaro sy mifanitsaka, ady voninahitra tsy lazaina intsony, ny kolikoly toa miha mahazo vahana. Tsy ho tafavoaka mihitsy raha tsy averina apetraka mazava hoe iza no manao inona, ahoana no tsy maintsy atao sy fomba fiasa ? raha misy didy aman-dalàna mila ahitsy na ovaina , inona no tsy irosoana amin’izany moa ?

Vao mainka hanampy trotraka ny fahasahiranan’ny ben’ny tanàna ny endrika fihemorana ara-pitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana ara-bola hakan’ny Fanjakana Foibe ny hetran-trano sy hetran-tany izay niantsorohan’ny Kaominina. Efa notaterina teto foana ihany koa fa 30 tapitrisa Ar isan-taona ny vola «subvention » ho an’ny kaominina, manome 80 miliara Ar eo ho an’ny Kaominina 1695 manerana ny Nosy, mety ampahafolon’ny tetibolan’ny Minisitera sasany. Fampandrosoana inona no ho vanona amin’izany ?
RTT/Toky R
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap