Raha araka ny resaka nifanaovana tamina sefom-pokontany iray teny Atsimondrano teny mantsy dia efa tafakatra 10 isan-kerinandro ireo olona miantso azy mikasika izany na andro na alina. Ny tena loza hoy hatrany ity sefom-pokontany ity dia misy amin’izy ireo no tsy azo halamina intsony fa mikasa ny hisaraka mihitsy. Vokatry ny fikasihan-tanana hataon-dralehilahy amin’ny ankapobeny no tena mahatonga ity farany raha eo ihany koa ny fampirafesana. Tsy latsa-danja amin’ireo ny tsy fanomezana vola nefa fotoana fidiran’ny mpianatra izao, ny fitsoahana andraikitra ho an’ny sasany izay mahavita tsy mody an-trano intsony fa miferin’aina amin’ny famelomana ny ankizy… Raha tanora fanahy moa no tena betsaka amin’ireo mpivady miady teo aloha hoy hatrany ity sefom-pokontany ity dia efa marobe ihany koa ireo olona nivady an-taonany maro no mikasa hifandao. Vokatry ny tsy fananan’asa, ny fidangan’ny vidim-piainana izay miteraka ny tsy fahampian’ny vola ao an-tokantrano intsony sy ny tsy fahaloavana ny hofantranon’olona no antony mahatonga izany. Tsiahivina moa fa mahatratra 60 isa isan’andro ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga eny amin’ny tribonaly amin’izao. Tsy tonga dia vita eo noho eo anefa izany fa mbola in-telo mampihavana ny mpivady ny tribonaly raha kely vao miroso amin’ny dingana famaranana.
Pati
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny