airtel

Actualités

05-août-2024

Fitezana tanora, fampandrosoana eny ifotony,…

Miara-misalahy ny TIM sy ny vahoakan’Alakamisy Fenoarivo

Sample post image

Ambohipihaonan’ny vahoakan’Alakamisy Fenoarivo omaly tao amin’ny Kianjan’i Soalandy,

05-août-2024

fotoana namaranana ny « Tournoi Mendrika », fifaninana baolina kitra entina hitezana ny tanora tsy hivarilavo amin’ny zava-mahadomelina, tsy hidonanam-poana, fa tena hirona amin’ny fampandrosoana ny maha olona sy ny fampandrosoana ny tanàna. . Iray amin’ireo hetsika ara-tsosialy tontosain’ny Antoko Tiako i Madagasikara eny an-toerana tarihin-dRasolonirina Mendrika, hoenti-miara-misalahy hanasoavana ny kaominina io, ka miara-mientana ao anatin’izany ny mpikambana TIM eny ifotony na ny « base TIM », ny Fikambanana samihafa, ireo mpandraharaha, ny tanora, ny vahoaka,... Tao anatin’ny iray volana ny fifaninanana, nandrasain’ny fokontany rehetra miisa 5, nahitana ekipa teo amin’ny 14, ka nandray anjara mavitrika ireo tanora niandahy niambavy. Nandritra ny famaranana omaly no nanolorana fankasitrahana ny ekipa 4 voalahy, nahitana ondry, amboara, maillot, baolina,… Mbola hitohy amin’ny hetsika samihafa toy ny basket, ary mbola hisy indray aza ny « tournoi » amin’ny fetin’ny noely ho an’ny baolina kitra. Nankasitraka ny mpikarakara ary naniry ny hitohizan’ny hetsika tahaka izao rahateo ny tanora, izay nosolon’i Hasina avy amin’ny Ekipan’ny OSCA izay nibata ny famaranana lehibe omaly. Nialoha an’izao dia efa nisy ny fanomezana « kits scolaires » ho an’ny ankizy nanala ny fanadinam-panjakana, jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny Fokontanin’i Merinarivo, fanomezana lakana ho an’ny fokontany Ambohimasina hahafahana miampita ny reniranon’Andromba. « Mbola betsaka ny fampandrosoana hoentina ho an’ny kaominina Alakamisy Fenoarvo, ary miezaka manatanteraka ny vina iarahan’ny Antoko TIM tarihin’ny Filoha Marc Ravalomanana hanavotra ny Firenena. Manantena antsika rehetra fa izaho tokinareo, ary ianareo tokiko amin’ny fifanomezan-tànana ho an’ny fampandrosoana », hoy i Mendrika Rasolonirina. Fanambin’ny TIM ao an-toerana rahateo ny haka ny toerana eo anivon’ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo hahafahana manana fahalalahana bebe kokoa hanatanteraka ireo vina hoentin’ny TIM mampandroso eo anivon’ny kaominina, iarahana amin’ny vahoaka eny ifotony.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap