airtel

Actualités

13-sept-2021

Actualités

Fitifirana teny Ambatobe Tsy misy fisamborana fa avela amin’izao ?

Sample post image

Nanamarika iny herinandro iny ny raharaha nahakasika ny Minisitra iray sy ny vadiny. Nisy resaka fanapoahana basy teny Ambatobe.

13-sept-2021

 Efa nilaza ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo, fa tena nisy ny fipoahana basy, ary efa namoahana didy sy nalaina ny basy teny am-pelantanan’ilay tompon’andraikitra ambony io noho ny fampiasana ilay fitaovam-piadiana tsy araka ny tokony ho izy. Raha ny resaka nandeha dia basy « kalachnikov » no nampiasaina, saingy tsy tena nanamarina tanteraka an’io kosa ny manam-pahefana. Tsy mbola nisy ihany koa anefa ny fandisoana fa tsy io karazana basy mahery vaika no nampiasaina tamin’ity fitifirana ity, saingy tsy voa ny mpanakanto Mr Sayda, izay voalaza fa sakaizan’ilay minisitra, ka notifirin’ilay vadina minisitra io. Niezaka nandiso izany moa ny minisitra ary naneho, fa tsy hoe rehefa miara-maka sary amin’ny mpiara-miasa dia mijangajanga. Tsy mbola nandiso mivantana kosa ireo voakasika ireo, fa tsy nisy basy nipoaka teny Ambatobe, ary tsy azy ireo ny basy. Efa nilaza ny Prefen’Antananarivo, fa tsy azon’ny sivily tazonina izany ny basy « kalachnikov » araky ny lalàna. Nahoana no misy io karazana basy io tany amin’ilay manam-pahefana ambony raha tena io tokoa ilay karazany nampiasaina? Alalana avy aiza no ahafahana mitazona izany? Raha hanao fampitahana kely tamina toe-javatra mombana basy, dia “fusil à pompe” no tratra tany amin’I Paul Rafanoharana izay voalaza fa nikasa hamono Filoham-pirenena kanefa tonga dia any Tsiafahy. Ity iray ity indray tena basy mahery vaika kokoa noho izany no voalaza fa tratra, saingy nalaina fotsiny, ary afaka mbola miriaria ny olona nahatrarana azy. Lojika sy mitombina ve ny hoe: nandika lalàna nitazona basy tsy tokony ho eny am-pelantanan’ny sivily ny olona iray dia ny basy fotsiny no alaina? Ny iray hafa anefa basy mbola tsy nipoaka sy azony tazonina tonga dia any Tsiafahy? Sa satria ny Filoha no notandindonin-doza ny ainy dia ambony kokoa ny sazy fa raha olon-kafa dia vitavita ho azy eny na efa nirefotra aza ny basy? Hatao fomba fanao sy vitavita ho azy izany io manambana sy manapoaka basy io ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap