Raha hiverenana kely, dia olona 4 nandea fiara tsy matahodalana na “4x4” nampangain'ny fokonolona ho mpangalatr'olona. Nosakanan'ny fokonolona ny fiara nitondra azy ireo, ary dia tsy nananana antra ireo vahoaka fa nirohotra ny namono azy ireo. Vokany, maty ny 4, naratra mafy ary tsaboina amin’ny Hopitaly Tambohobe Fianarantsoa ny iray, potika tanteraka ilay fiara. Voalazan'ilay hany sisa velona fa resaka vato no antondian'izy ireo teny, hoy ny fitantarana. Raikitra kosa ny fisamborana ireo olona heverina ho tompon’antoka mivantana na ankolaka tamin’ity raharaha ity, mba hatao famotorana, ka hatry ny omaly dia nahatratra 105 ireo efa voasambotra. Mpitandro ny filaminana marobe rahateo no tonga teny amin’ny tanàna sy ny toerana nisehoan’ny zava-doza. Maro ny mety ho anton’ny fanadihadiana ireo fokonolona satria nisy aina nafoy, ka ao ny mety tompon’antoka tamin’ny vono olona, ao ny mety vavolombelona,… Ny Fitsarana rahateo no tompon’ny teny farany amin’ny raharaha tahaka itony aorian’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Na inona na inona kosa antony, heloka helohin’ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny Fanjakana ny fitsaram-bahoaka, ary tsy misy na iza na iza manana fahefana hanapitra ain’olombelona tahaka azy. Ny tena zava-doza ao anatiny ihany koa dia sanatria olona tsy manan-tsiny na tsy meloka no matimaty foana amin’ny mety ho resaka tondro molotra na kihonohono. Na mety tena marina aza ilay zava-misy nentina nanaovana fitsaram-bahoaka, dia mifanohitra tanteraka amin’ny lalàna. Sary iray mety maneho ny tsy fahatokisana ny ambaratongam-pahefana toy ny fitsarana ihany koa anefa izao ka tokony handraisana lesona sy hitondrana fanarenana hatrany satria tena efa lasa zava-doza, tsy misy dikany intsony ny mandatsaka aina. Potika ny fiarahamonina, betsaka ny lonilony, very ny fitandroana ny hasin’ny aina, ny tsy fandriampahalemana namoizana ain’olona maro, ny fahantrana mikiky,… hany ka mety endrika hantonton’ny olona amin’ny zavatra na tranga iray fahatezerany ka anisany ny fitsaram-bahoaka. Vao mainka anefa olana miteraka olana izany, ary vao mainka mizotra any amin’ny fahapotehana, ka mila jerena sy harenina.
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny