airtel

Actualités

02-févr-2021

Actualités

Fitsarana Anosy Nitory ny ben’ny tanàna i Clémence R

Sample post image

Notorian-dRtoa Clémence Raharinirina eny amin’ny « Tribunal Admnisitratif »

02-févr-2021

 

 

 

 

noho ny anton-javatra miisa 5 ny ben’ny tanànan’Antananarivo Atoa Naina Andriantsitohaina, ka tafiditra ao anatin’izany ny fangatahana ny fanesorana ity farany. Isan’ny antony ny fandavan’ny maro an’isa tao anatin’ny fivorian’ny Filankevitra Monisipaly ny 6-7-8 mey 2020 ny fandrodanana tsena teny Analakely nisy fifanarahana mazava 10 taona, saingy narodana an-terisetra. Faharoa, ny tsy fanajana ny fe-potoana omena rehefa hanao fandrodanana. Ny lalàna 2015-052 tamin’ny 03 febroary 2016 dia tsy maintsy homena fampihomanana 30 andro ny olona raha tsy misy tohiny aorian’ny fampahafantaran’ny vadin-tany sy aorian’ny fankatoavan’ny Filan-kevitra Monisipaly vao afaka miroso makany amin’ny fandrodanana. Ny zavatra nisy anefa 48ora no nomena ireo olona tamin’ny fandrodanana rehetra. Ohatra vao haingana ny teny Analamahitsy. Namoaka “arrêté” ny ben’ny tanàna tamin’io fandrodanana io, izay hosoka satria raha ny lalàna, dia tsy maintsy mampahafantatra ny Mpanolontsain’ny tanàna rehefa hanao fandrodanana, ary tsy maintsy mahazo fankatoavana, hoy izy. Tsy misy hoe araka ny fanapahan’ny Mpanolontsaina Monisipaly io “arrêté” io, izay heloka, araka ny andininy faha-347 bis ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana, ary misy sazy an-taonany maro, hoy I Clémence Raharinirina. Nambarany fa torian’ireo olona lasibatra eny amin’ny “Tribunal penal” ny ben’ny tanàna, ka antony ny fampiasana hosoka, fanararaotam-pahefana, fanimbana fananan’olona,... Eon ihany koa ny tsy fanajana ny fanapahana ny noraisin’ny Mpanolontsaina Monisipaly, toy ny fampanofana 50 taona ny MBS, saingy naoty no andravan’ny ben’ny tanàna manome 6 volana hialana,… Ny fanapahana noraisin’ny Mpanolontsaina, dia ny fanapahan-kevitra avy ao ihany no manafoana azy.

 

 Araka ny lalàna 2014-020, raha ohatra ny olom-boafidy iray ka miala ao anatin’ny antoko misy azy, tsy mandefa ny fanapahana raisina handalo “contrôle de légalité” eny amin’ny Prefektiora, ary misy ny fanamelohana ara-pitsarana mahazo azy, dia azo esorina. Ity farany no hitoriako sy mba hanesorana azy satria efa misy fitoriana nataon’ireo lasibatra tamin’ny zavatra nataony izay tsy iray fa 5, hoy i Clémence Raharinirina.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap