tao Volotara, kaominina Andoharanofotsy, tokony tamin’ny 12ora alina mahery teo, raha ny tsiahim-baovao voaray ny sabotsy teo. Saribao 30 gony no very, hoy ny fanazavana. Mpiara-monina iray no nampandre ny mpivarotra tamin’ny someso fa misy olona mitaona saribao ka taitra. Nifampandre ny fokonolona, nivoaka ka nahita fiara «sprinter» tsy lavitry ny tsena vaky izay nahatrarana saribao maromaro tao anatiny. Io fiara io izay voalazan’ny mpamily fa fiara mpitatitra mpiasa kanefa tsy nampiseho taratasy fanamarinana rehefa nangatahin’ny fokonolona. Natao naka sisiny izy ireo kanefa nirifatra nitsoaka niaraka tamin’ny saribao sady namoaka zava-maranitra ary efa saika handona ireo olona nijorojoro teny amin’ny arabe, raha ny fampitam-baovao ihany. Fantatra taorian’ny fanadihadiana fa fiara mpitatitra mpiasa na «personnel» ana orinasa iray ao Tanjombato ilay fiara. Niaiky ny mpamily sy ny mpamily mpanampy fa naka saribao ary nahatrarana saribao tokoa tao anaty fiaran’izy ireo fa saribao hitan’izy ireo teny amin'ny arabe. Nilaza ny nitolo-tena nanatona ny zandarimaria ao Andoharanofotsy, nilaza ny zava-nisy koa ry zareo taorian’ny nahatraran’ny fokonolona azy ireo ary namela ireo saribao tao amin’ny zandarimaria. Nandrisika ny mpivarotra hanao «plainte contre X» na miantefa amin’olon-tsy fantatra ny tao amin’ny zandarimaria na dia efa fantatra aza ny mombamomba ireo mpamily nitondra saribao halatra ary na dia efa nametraka ny laharan’ny fiara tao amin’ny fitoriana aza ny mpivarotra. Tsy nisy tohiny hatramin’ny farany ny fitoriana ka nahatonga ny tompon’ny entana very nanao «plainte au parquet» na fitoriana teny amin’ny fitsarana ka nandraisan’ny polisin’i Tanjombato ny raharaha indray. Taorian’ny fakàna am-bavany azy ireo tetsy amin’ny fitsaràna Anosy ny sabotsy teo dia nivoaka ny didy fitanana am-ponja vonjimaika ireto roalahy voarohirohy ireto. Nihanika ny tambohon’ny fitsaràna izy ireo, saika handositra, ka naratra teo amin’ny tongony. Anio alatsinainy kosa no hiakatra fitsaràna ireto voarohirohy ireto, raha ny fampitam-baovao sy fanazavana voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny