airtel

Actualités

06-juil-2026

Fitsaràna miaramila

Nosokafana tetsy Betongolo

Sample post image

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy

06-juil-2026

ny sabotsy 4 jolay 2026 teny Betongolo ny fitsarana miaramila 2026. Adidy ho an'ny tanora lahy sy vavy 19 ka hatramin'ny 31 taona izy io, araka ny lalàna, hoy ny fampahatsiahivan'ireo tomponandraikitra. Ireo mahavita azy dia mahazo ny karatra maitso na "certificat de position militaire". Tsy midika ho fandraisana ho miaramila avy hatrany anefa izany. Ireo mangataka an-tsitrapo sy mahafeno fepetra ihany no raisina ho miaramila. Ho an'ireo tsy voaray dia mijanona ao anatin'ny fiandry ka mety hantsoina raha misy filàna hiarovana ny tanindrazana. Ny fitsaràna miaramila eny amin'ny Kianjan'i Betongolo dia haharitra hatramin'ny 5 aogositra 2026, isaky ny alatsinainy ka hatramin'ny sabotsy, amin'ny 8 ora maraina ka hatramin'ny 4 ora tolakandro, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique