airtel

Actualités

24-mars-2022

Actualités

Fitsarana sy fandraharahana ny fonja Handray mpiasam-panjakana 1220

Sample post image

Nankatoavina ny fangatahana alalana hikarakara fifaninanana ho fandraisana mpiasam-panjakana miisa 1 220 eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana,

24-mars-2022

 araka ny tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra omaly. Misokatra ho an'ny rehetra ary manaja ny zon’olombelona, dia ilaina ny fandraisana mpiasa vaovao voahofana sy mahay ary ampy isa ho fanatevenana ireo mpiasa eo anivon 'ny minisitera, hoy ny Fanjakana. Mitsinjara toy izao ireo 1220 ireo : 100 mpianatra ho mpitsara na « magistrats », 200 mpianatra ho « greffiers des services judiciaires », 20 mpianatra ho « inspecteurs d’administration pénitentiaire », 50 mpianatra ho contrôleurs d'administration pénitentiaire», 50 mpianatra ho « éducateurs spécialisės », 50 mpianatra ho « greffiers comptabless », 50 mpianatra ho « encadreurs d'administration pénitentiaire», 700 mpianatra ho « agents pénitentiaires ». Nampahatsiahy ny Filoham-pirenena fa isan'ny fanamby napetraka ny fisian 'ny fifaninana fandraisana ho mpiasam-panjakana madio sy tsy misy kolikoly, koa dia mila arahina maso izao fifaninana hatao atsy ho atsy izao. Efa nisy ezaka mikasika izany tamin’ilay fianinana hiditra ho mpitsara farany teo, ary ny tompon’andraikitra isan-tokony dia tsy tokony hanaiky mihitsy ny isiana tsindry na « interventions » ataon'ny tompon'andraikitra na voatendry io na voafidy mikasika izany, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap