airtel

Actualités

26-févr-2024

Fivarotana tsaky voalavo, alika, ramanavy…

Andrasana ny fepetra raisin’ny tomponandraikitra

Sample post image

Niparitaka tanaty tambazotran-tserasera tato ho ato ny sarina ankizy

26-févr-2024

eto an-drenivohitra mikarakara fatim-boalavo maromaro toy ireny fikarakarana akoho amam-borona na kisoa ho atao laoka ireny. Tsy vao izao no nahenoana ny resaka toy ity fa azo ambara hoe tato anatin’ny 5 taona farany fara-faha haingana no efa nahoraka tamina faritra maro manerana an’i Madagasikara koa ny fisiana tranga mitovitovy amin’izy itony, izay heverina fa tena naman’ny famitahana olona na koa famitahana ireo mpanjifa amina hotely sasany na mpivarotra hani-masaka eny rehetra eny. Lazain’ilay mpivarotra fa henan-kisoa no arosony anao, hay izany izy ity henam-boalavo. Lazainy fa akoho kay ramanavy. Ny fividianana tsaky eny amoron-dalana moa izany izao dia mila maha mailo tanteraka amin’ity resaka fivarotana tsaky voalavo, alika, ramanavy sy ny tariny rehetra ity. Ekena fa mety misy tokoa ny ho tia na hankafy mihitsy ilay tsiro fa ny ankamaroan’ireo izay naneho ny heviny aloha hatreto dia saika nilaza ho tafitohina manoloana izao fihariana heverina ho famitahana fiarahamonina izao avokoa. Andrasana, noho izany, ny fepetra raisin’ny tomponandraikitra tandrify manoloana ny tranga toy itony.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap