Voafidy ho filoha lefitry ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana (UNGA) faha-79 i Madagasikara mandritra ny fe-potoam-piasana hanomboka ny volana septambra 2024 hatramin’ny septambra 2025, araka ny seraseram-panjakana. Ny 06 jona teo no nandeha ny fifidianana, izay nambara, fa manamarika ny andraikitr’i Madagasikara eo anivon’ny fiaraha-monina iraisam-pirenena ity andraikitra. Tsy isika irery, fa firenena 20 no mandrafitra ity filoha lefiitra ity ahitana an’i: Alzeria, Angola, Aotrisy, Barbade, Micronezia, Ghana, Guatemala, Italia, Kyrgyzstan, Moldavia, Sénégal, Thailand, Tonga, Turkmenistan, ary Venezoela, ankoatra an'ireo mpikambana dimy maharitra ao anatin’ny Filankevitry ny Fiarovana anivon’ny Firenena Mikambana (Etazonia, Frantsa, Royaume-Uni, Shina ary Rosia). Amin’ny maha mpikambana azy ao amin’ny biraon’ny Vondrona Firenena Mikambana, dia hanana andraikitra lehibe i Madagasikara. Noho izany, ny Filohan’ny Repôblika, Andry Rajoelina, no filoha lefitra handray anjara amin’ny fivoriana faha-79 amin’ny fivoriambe, hatao ny 24 hatramin’ny 30 septambra 2024. Manamafy ny fahavononany hatrany ny firenena malagasy amin’ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana, ny filaminana ary ny fampandrosoana maharitra, ary manantena ny hiara-hiasa amin’ireo firenena mpikambana rehetra ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena marolafy, hoy hatrany ny seraseram-panjakana. Tsy manamaivana ity toerana hanaovana serasera mipoapoaka tahaka ny fahasoavana be ho an’ny firenena ity, kanefa rehefa zohiana dia tsy dia tena hita ny lanjany rehefa tsy hay ny mampiasa azy, fa serasera tahaka ilay hoe : tompondakan’ny fanjarian-tsakafo avy eo manao kabary mipoapoaka fa mandany vola amina miliara dolara maro ny firenen-dehibe amin’ny ady any Ukraine kanefa ny mponina aty Afrika sy eto Madagasikara mila tohana ara-bola tokony hojerena. Tahaka izany ihany koa ny fifampiresahana sy fiaraha-maka sary amin’ireo olobe maneran-tany tahaka ny eo anivon’ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena, io serasera be atao any Genève io, kanefa ny diplaomasia tsy mandeha amin’izay laoniny ary misy aza ny fandroahana ankolaka diplaomaty tena manana ny toerany dia io mikatsokatso na mihisatra io ny fiaraha-miasa toy ny amin’ny Vondrona Eoropeanina. Tena andrasana izao ny hoe : hiady ny hampidirana ny « Iles éparses » ao anaty lahadinika sy fandaharam-potoana ary ve ny Fitondrana Rajoelina ka hahavita izany ? Tao anatin’izao fitondrana izao dia efa nihemotra hatrany io resaka ankoatra ilay fampanantenana poakaty fa hiverina alohan’ny 26 jona 2020 ireo nosintsika.
Toky R
Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny
Manizingizina sy manenjan-tsandry ny Fanjakana, fa eo amin'ny tanim-panjakana no nisy ireo trano
Nivory teto Antananarivo omaly 13 martsa ny IPAM na Ivom-Panajariana an’Antananarivo sy ny Manodidina,
Efa tena mihatra amin’ny ain’ny mpiasa taorian’ny COVID 19 ny fijaliana,
Velon-taraina amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ireo mpamokatra sy mpivarotra
Hiditra an-tanety anio Zona 14 Martsa alina na rahampitso Sabotsy 15 Martsa