airtel

Actualités

25-avril-2025

Fizahantany eto Madagasikara

« Tena mampikolay ny haratsin-dàlana sy ny saran’ny fiaramanidina »

Sample post image

Miezaka hanome ny tsara hatrany amin’ireo tolotra ara-pizahantany ireo

25-avril-2025

mpandraharaha mpisehatra amin’izany, saingy isan’ny olana goavana mampitaraina ireo mpandraharaha ny làlana sy ny saram-pitaterana an’habakabaka. «Io resaka lalana sy fitaterana an’habakabaka io no tena olana voalohany ho an’ny tontolon’ny fizahantany eto Madagasikara. Tena mikolay mihitsy ny vazaha rehefa tonga eto satria tsy misy làlana tena tsara intsony eto raha ny RN (làlam-pirenena) na aiza na aiza tena ratsy be daholo. Misy fiantraikany any amin’ny fahazotoan’ny olona mandeha, fa eo ihany koa ny fitomboan’ny fandaniana amin’ny fikojakojana ny fiara», hoy Rtoa Carène Andriantsilavo Tale Ara-barotry ny Scofield Travel. Samy kivy amin’ny làlana na ny mpizahatany anatiny dia ny Malagasy na ny vahiny, ka ny vazaha rehefa tsy tiany ny mandeha amin’ny lalan-dratsy dia mandeha fiaramanidina, fa ny Malagasy betsaka no mikafiry handeha fiara satria tena mavesatra ny saran’ny fiaramanidina eto amintsika mety avy any an-toerana hafa mbola afaka mandeha makany Mahajanga ohatra. Na ny mpikarakara aza dia indraindray tena kivy, ka ho an’ity orinasa iray ity ohatra, dia tsy mametraka daty mihitsy ho an’ny tolotra makany Nosy Be amin’ny alalan’ny fandehanana amin’ny fiara raha tsy amin’ny volana jona satria tena ratsy dia ratsy ny RN6. Ny làlana Antsohihy-Ambaja ohatra 185km kanefa 9ora no hanaovana azy, raha tokony ho 2ora raha be indrindra. Tena tsy mandeha mihitsy, taraiky eny an-dalana, ka manao antso avo amin’ny Fanjakana amin’ny fanamboarana, hoy ny fanampim-panazavany. Stratejika be amin’ny toekarena ny fizahantany, saingy mbola mila fanatsarana amin’ireo lafiny ireo, ankoatra ny pitsopitsony samihafa. Ny firenentsika rahateo manan-karena amin’ny lafiny maro na ara-boajanahary na ara-kolontsaina. « Raha vita tsara ny làlana eto Madagasikara, dia tena hampandroso be antsika ny tontolon’ny fizahantany », hoy hatrany Rtoa hoy Rtoa Carène Andriantsilavo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap