airtel

Actualités

14-juil-2026

Fizahantany_

World travel awards 2026

Sample post image

Mpifaninana amin'ny sokajy 9 lehibe i Madagasikara

14-juil-2026

Tafiditra indray amin’ny fifaninanann'ny World Travel Awards 2026, izay heverina ho iray amin’ireo mari-boninahitra manan-danja indrindra eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany maneran-tany, ary matetika antsoina hoe “Oscars" an’ny fizahan-tany” i Madagasikara. Tafiditra amin’ny sokajy sivy lehibe: toerana tsara indrindra ao amin’ny Ranomasimbe Indianina, toerana maitso, toerana amoron-dranomasina, toerana fialam-boly amin’ny lomano na "plongée", toerana fitsangatsanganana amin’ny sambo na "croisière", toerana fizahan-tany amin'ny lafiny "aventure", toerana fialan-tsasatra ho an’ny mpivady (lune de miel), toerana voajanahary, ary ny office national du tourisme tsara indrindra ao amin’ny Ranomasimbe Indianina. Amin’ity fifaninanana ity, Madagasikara dia manasongadina ny harena voajanahary sy ny zava-manan’aina tsy manam-paharoa, ny tontolo voajanahary miavaka, ary ny morontsiraka manintona izay manome endrika tokana amin’ny fizahan-tany eto amin’ny nosy. Ireo voatondro ireo dia manamafy ny toeran’i Madagasikara ho toerana manan-danja amin’ny fizahan-tany maharitra sy voajanahary. Misokatra ho an’ny rehetra ary haharitra hatramin’ny 7 Aogositra 2026 ny fifidianana an-tserasera, ka manome fahafahana ho an’ny Malagasy hanohana ny firenena amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny fahazoana fandresena amin’ireo sokajy ireo dia hanampy amin’ny fanamafisana ny lazan’i Madagasikara, ny fitomboan’ny mpizaha tany ary ny fampiroboroboana ny toekarena amin’ny alalan’ny sehatra ara-pizahantany. Tsiahivina , fa Madagasikara dia efa nahazo mari-boninahitra maro tamin’ny World Travel Awards, manamafy ny toerany ho toerana fizahan-tany miavaka. Tamin’ny 2025, nahazo loka 5 lehibe tamin'ny 18: "Leader" amin’ny fanofana fiara ny Hertz Madagascar. Nahazo ny anaram-boninahitra Hotely tsara indrindra eto Madagasikara ny Princesse Bora Lodge & Spa. Voatondro ho Resort tsara indrindra eto Madagasikara ny Andilana Beach Resort. Nahazo loka roa lehibe: Agence de voyages voalohany sy Tour Operator voalohany eto Madagasikara ny Cactus Tours Madagascar. Ny Andilana Beach Resort sy ny Princesse Bora Lodge & Spa dia efa nahazo loka imbetsaka teo aloha. Ny Cactus Tours Madagascar dia nahazo fankasitrahana manokana noho ny fahaiza-manao amin’ny famolavolana fitsangatsanganana manokana sy maharitra. Manamafy fa manana harena voajanahary tsy manam-paharoa ny nosintsika, ary manaporofo fa manana tolotra sy serivisy mifaninana amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara. Na izany aza, mbola betsaka ny lesoka matoa eo amin'ny 300 000 isan-taona ny mpizahatany eto Madagasikara, ka raha mampiditra 1000 dolara dia 300 000 000 dolara kanefa ny Nosy Maurice izay mety mitovy habe amina distrika iray eto amintsika misy mpizahatany 3 tapitrisa isan-taona izay manome 3 miliara dolara raha kajiana amin'io mampiditra 1000 dolara isam-bolana io.
Toky R
 

Dans la même rubrique