airtel

Actualités

13-janv-2025

Foana ny filazana mikasika ny rivodoza

Mitoetra ny fampitandremana momba ny rotsak’orana

Sample post image

Tany amin’ny 283 Km avaratr’i Besalampy no nisy ny foiben’i DIKELEDI omaly 12 janoary tamin’ny 3 ora tolakandro,

13-janv-2025

araka ny tatitry ny Foibe famantarana ny mety ho toetry ny andro. 90 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 125 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana somary atsimo andrefana izy ka nahafaka 34 Km/ora. Miverina mitoetra indray ny oram-baratra manomboka eto ka mety hanatombo ny rotsak’orana amin’ny faritra maro, indrindra ny avaratra andrefana. Hikorontana hatrany ny toetry ny andro an-dranomasina any amin’ny morontsiraka avaratra sy afovoany andrefana, hoy ny fampitam-baovao. Foana ny filazana rehetra mikasika ny rivodoza. Mitoetra kosa ny fampitandremana amin’ny mety ho fahabetsahan’ny rotsak’orana. Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Besalampy mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza, hoy ny toromariky ny Foibe Famantarana ny mety ho toetry ny andro. Toy izay ihany koa ny eo anelanelan’ny Besalampy sy Morombe manomboka rahampitso maraina. Mitoetra ihany koa noho izany ny fanentanana ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap