airtel

Actualités

24-juil-2023

Actualités

Foara Anjara hetrako “Nisy fakana vola tsy ara-dalàna”

Sample post image

Rehefa nahafantatra ny foibem-pitondrana ankapobeny ny hetra na DGI fa nisy ny fakana vola tsy ara-dalàna

24-juil-2023

nataona andian'olona ivelan'ny DGI nandritra ny hetsika “Anjara Hetrako” teny amin'ny Tsenabe Bypass dia nanapa-kevitra ny hanajanona ny fandraisana anjara amin'ny foara, hoy ny filazana nampitain’izy ity rafitra ity omaly. Ny DGI dia manameloka tanteraka izany fanararaotana izany, hoy ny voalaza. Mankasitraka antsika rehetra nisafidy ny ho ara-dalàna ary mampanantena kosa ny besinimaro fa tsy maintsy hisy ny hetsika “Anjara Hetrako” eto Analamanga tsy ho ela, hoy hatrany ny voambara. Ahoana kosa izany etsy ankilan’izay ny fanadihadiana momba izany fakana vola tamin’ny fomba tsy ara-dalàna izany? Ho vita hatreo amin’ny fanamelohana fotsiny ve? Ahoana ny fanonerana ny volan’ireo olona heverina ho voambaka tao anatin’izany? Ho toy ireo raharaha hafa mampametra-panontaniana marobe amin’izao fotoana ve? Isan’ny fanontaniana manitikitika!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,

Card image cap
22-mai-2025

Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly

Card image cap
22-mai-2025

Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana

Card image cap
22-mai-2025

An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.

Card image cap
22-mai-2025

Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :

Card image cap
21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap