airtel

Actualités

30-juil-2024

FOFIFA

Manome 72ora hialan’ny Tale Jeneraly ny mpiasa

Sample post image

Manome 72 ora hialan’ny Tale Jeneralin’ny FOFIFA na ny Foibem-pirenena momba ny

30-juil-2024

Fikarohana Ampiharina amin’ny Fampandrosoana eny Ambanivohitra ny mpiasa eo anivon’ity ivon-toerana ity, araka ny fanambarana nataon’izy ireo omaly teny amin’ny Foibeny eto Antananarivo. Milaza ny mpiasa fa tsy mahomby, ary mikoroso fahana tanteraka ny FOFIFA, ka lasibatra sy anaty loza arak’asa izy ireo. « Na ny karaman’ny mpiasa aza tsy nandray, ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka mikorosy fahafana tao anatin’ny 3 volana. Raha mitohy izany dia hiteraka fikatsoana tanteraky ny FOFIFA. Izahay anefa mivelona amin’ny tetikasa », hoy ireo mpiasa tamin’ny alalan’Atoa Randrianarivo Célestin. « Miangavy anao am-panajana hiala, handray fepetra izahay, hiafara amin’ny fihetsiketsehana hitakianay ny hetahetanay, hahafahanay manova ny orinasa, araka ny nikelezan’ny mpitantana sy mpiasa aina hatramin’izay », hoy hatrany izy ireo tamin’i Dr Razafindraibe Rolland. Manome 72 ora ny mpiasa, ka raha tsy tanteraka izany, dia hiroso amin’ny fitokonana faobe manerana ny Nosy, raha ny nambaran’izy ireo.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap