hoy ny foibe famantarana ny toetr'andro. Nitombina tanteraka ny vinavina izay navoaka, hoy ny fanazavana. Hitohy anio izany volon’andro izany ka ilana fahamailoana sy fiomanana. Mikasika ny havandra, azo lazaina fa ny orana sy ny rivotra mangatsiaka no mampivaingana sy mampilatsaka ety amin’ny tany ireo lehibe tsy levona eny ana habakabaka. Raha ny omaly aloha dia tsy niteraka fahasimbana goavana ny filatsahan'ny havandra teto an-drenivohitra. Tany amin’ny faritra manodidina no nahitana voly avotra sy ny anana ringana tanteraka. Toy izao ny tombatombana anio zoma 25 may 2023 araky ny vinan'ny foibe famantarana ny toetry ny andro ; ny maraina dia hisy sisan'orana tandrifin-drahona any Sava sy Analanjirofo. Hanorana malefaka ny any amin'ny morontsiraky ny faritra Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Handrahona ny any amin'ny ilany atsinanan'ny afovoan-tany. Hibaliaka ny masoandro amin'ny ny faritra sisa. Ny Tolakandro dia hisy orana tandrifin-drahona any Diana, Sofia, Sava, Analanjirofo ary any amin'ny morontsirak'i Atsinanana sy Vatovavy. Handrahona ary mety harahina orana tandrifin-drahona ny any Alaotra Mangoro, Fitovinany ary ny ilany atsinanan'Analamanga sy Amoron'i Mania. Handrahona mitsitokotoko na hibaliaka ny masoandro any an-kafa, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny