airtel

Actualités

01-sept-2023

FOKONTANY ANDRANOVELONA

Nisitraka jiro mandeha amin’ny masoandro

Sample post image

Nisitraka jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny Fokontany Andranovelona. Omaly no nanolorana izany tamim-pomba ofisialy,

01-sept-2023

notontosain’ny ekipan’ny STAR sy ny ekipan’ny ozinina. Mitohy hatrany ny fanampian’ny ozinina SEMA Eau Vive ity Fokontany iray ity. Miisa valo ireo jiro ireo. Raha araka ny fantatra, dia ny jiro amin’ny trano manamorona ny arabe no mitaratra ny tanànan’Andranovelona hatramin’izay. Ankehitriny, tsy hazavàna ihany no hositrahan’ny mponina avy amin’izao foto-drafitrasa izao fa fiarovàna amin’ny tsy fandriampahalemana amin’ny alina sy ny hirika hahafahan’izy ireo manohy ny asany amin’ny hariva ihany koa. Amin’ny maha-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro azy dia vao manomboka milentika ny andro dia efa manomboka mirehitra ireo jiro ary tsy lefy ny hazavàny raha tsy efa hiposaka indray ny masoandro. Nanampy ny STAR tamin’ny fitadiavana ny toerana mety indrindra hametahana ireo andrin-jiro fitoeran’ireo jiro ny tompon’andraikitra avy amin’ny Fokontany Andranovelona mba hisitrahan’ny rehetra ny hazavàny. Ankehitriny dia mazava avokoa ny làlana manamorona ny fidirana sy ny fivoahana ny tanànan’Andranovelona isan-kariva na anatin’ny fahatapahan’ny herinaratra aza indraindray. Raha tsiahivina dia efa 53 taona izay no nisian’ny ozinina SEMA Eau Vive Andranovelona, ary tamin’ny alalany no nahafahan’ny STAR nandray anjara tamin’ny fampandrosoana azy amin’ny alalan’ny fitondrana ny anjara birikiny ho an’ny mponina ao an-toerana. Araka izany dia manamafy ny fitsinjovany ny mpiara-belona aminy ny STAR amin’ny alalan’ny hetsika RSE tahaka ity fanolorana ity.
Pati
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap