airtel

Actualités

20-janv-2023

Actualités

Fomba hiatrehana ny rivo-doza Tokony hamafisina ny tafontrano, sokafana ny tata-drano

Sample post image

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza isika eto Madagasikara ankehitriny. Ankoatra ilay rivo-doza Cheneso izay tany amin’ny distrikan’i Befandriana avaratra,

20-janv-2023

Faritra Melaky hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay no nisy ny foibeny dia mbola ho avy ihany koa ny manaraka izay vinavinaina ho roa aloha hatreto raha araka ny vaovao nampitain’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. Maro ireo fihetsika sy fomba tokony hatao hiatrehan’ny olom-pirenena ny rivo-doza araka izany hisorohana ny loza mety hitranga. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina teknisiana iray dia tokony hamafisina ny tafontrano ho an’ireo tsy mampiasa tsindrin-tafo noho ny herin’ny rivotra. Fasika amin’ny gony dia efa mety izany. Tokony hosokafana ihany koa ny tata-drano ho an’ireo mipetraka amin’ny faritra iva mba tsy hiangonan’ny rano ka mety hampianjera ny trano na koa hahatondraka ny rano ao an-tanana. Ho an’ireo monina amin’ny faritra avo ahiana hisy fihotsahan’ny tany dia tokony hifindra trano haingana izy ireny na koa hipetraka any amin’ny fianakaviany aloha mandritra ny fotoam-pahavaratra hisorohana ny loza mety hitranga. Tokony hanangona vatsy ihany koa ny isan-tokantrano toy ny vary sy ny saribao mba tsy hivoahana ny trano rehefa tena avibe ny orana. Tokony hihaino tsy tapaka ny vaovao ny olom-pirenena rehetra rehefa fotoanan’ny rivo-doza hahafantarana ny tokony hatao. Ho an’ireo olona manan-kilema sy efa zokinjokiny dia tsara hatrany ny miaro azy ireny tsy hivoaka ny trano rehefa tena mikija ny orana ho fiarovana ny ainy. Toraka izany koa ny ankizy madinika manoloana ny mety ho fiakaran’ny rano.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsara hamafisina tahaka izao ny tafontrano rehefa vanim-potoanan’ny rivo-doza
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap