nitsanganan’ny Fondation Céline sy Didier Ratsiraka, izay natsangana ny 4 novambra 2021, mba hanohy ny asan’izy mivady amin’ny fanasoavana ny firenena sy ny mpiray tanindrazana. Tonga nanotrona izany ireo fianakaviana sy ireo mpikatroka Arema ary ireo mpiaradia taminy fony fahavelony. Asa maro no efa natombok’izy mivady ireo ho an’ny firenena nandritra ny fotoana nitantanany hatramin’izao ary manohy izany ity Fondation ity. Mifototra amin’ny fanabeazana sy ny fikajiana ny tontolo iainana izany, ny fampitovian-jo ny Malagasy rehetra eo amin’ny lafiny sosialy ary ny fanandratana ny kolontsaina Malagasy izany. Efa niasa ny Fondation tao anatin'izay herintaona nitsanganany izay. Isan’izany ny fanolorana kojakojam-pianarana ho an’ireo mpianatra tao amin’ny Boriboritany voalohany Antananarivo Renivohitra. Nanohana ankizy maromaro ihany koa ahafahany manohy fianarana teny amin’ny kolejy. Teo ihany koa ny fanohanana mpianatra hahavita fianarana Master II. Efa nanolotra fiofanana teny frantsay sy anglisy ho an’ny mpianatra teny amin’ny oniversiten’Antananarivo ihany koa, sns. Ho fanohizana ny hetsika dia manana vina ny hamokatra horonantsary mirakitra ny tantaran’ny Amiraly Didier Ratsiraka ny Fondation. Horonantsary izy hanehoana ny tantarany sy ireo asa izay nataony ho an’ny firenena. Heverina fa ho vita amin’ny taona 20223 ity horonantsary ity.
Jean D.
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny