airtel

Actualités

22-mars-2024

Fondation Mohamed VI

«Tanjona ny hahafoana ny hanohanana eto Madagasikara»

Sample post image

Nampahafantarina omaly ny fijoroan’ny rafitra na «fondation» Mohamed VI

22-mars-2024

Des Oulema Africains eto Madagasikara, etsy Talatamaty. Fikambanana lehibe eto Afrika ity rafitra ity, hoy ny filohany eto Madagasikara, Hamidou Ali, ary ivondronan’ireo avara-pianarana amin’ny sehatra Islamika. Ny mpanjakan’i Maraoka, Mohamed VI, no filohan’ny rafitra aty Afrika. Miisa 48 ny rantsa-mangaikany eto Afrika. Tanjona ny fampielezana ny finoana Silamo izay mifototra amin’ny fifamelana, fifanampiana, firahalahiana, fandriampahalemana. Izay no fototra apetraka ahafahana mametraka ny fitoniana sosialy, ny fiharian’ny zanak’olombelona eto Afrika. Tafiditra ao anatiny ny asa fifanampiana, fanohanana ny mpiara-belona. Misy, noho izany, ny fizarana vary 25kg, menaka 2 litatra, ronono 1kg avy ho ana tokantrano miisa 200. Na dia mifanitsaka amin’ny volana Ramadany aza ny asa sosialy dia mahazo tombony aminy daholo ny olon-drehetra na Miozolimanina izy na tsia. Misy fiaraha-miasa matotra izahay amin’ireo fokontany sy kaominin’i Talatamaty. Tanjona koa, noho izany, ny fanatsarana ny fiarahamonina na eo aza ny fahasamihafana ara-pinoana, hoy hatrany ny tenany. Maraoka moa no nitondra ny finoana Silamo teto Afrika, hoy kosa ny fanazavan’ny ambasadaoron’i Maraoka eto amintsika. Iray volana izahay no mifady hanina fa misy olona mifady hanina mandava-taona any ka fotoana tokony hifampizarana, noho izany, ny Ramadany ary ny tanjona dia ny hoe ho foana hatreo ny hanohanana eto Madagasikara, hoy izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap