airtel

Actualités

20-nov-2025

FONJABEN'ANTANIMORA

Vehivavy 200 isaky ny efitrano, misy 2 torana isan-kalina

Sample post image

Mafy ny mahazo ireo vehivavy sy

20-nov-2025

Renim-pianakaviana mifonja ao amin'ny fonjaben'Antanimora. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia mahatratra 200 isaky ny efitrano ny isan'izy ireo ankehitriny, izany hoe : mahatratra 1000 isa misandrahaka amin'ireo efitrano miisa 5. Mafanabe, sempotra ka torana mihitsy ny sasany vokatr'izany izay mahatratra 2 isan-kalina raha kely hoy hatrany io loharanom-baovao io. Manampy trotraka izany ny tsy fahampian'ny torimaso. Ora 2 na 3 isan-kalina mantsy no mba matory ny vehivavy iray noho ny fahateren'ny toerana. Mitaingina eny ambonin'ny sasany ny tongotry ny sasany dia mifandimby tahaka izany mandrapaharainan'ny andro. Mbola matory amin'ny tany ihany koa eo an-daniny, trangam-piainana izay tena mafy tokoa. Tsiahivina moa fa mbola mifangaro ao avokoa ireo vehivavy voafonja efa vita Fitsarana na tsia. Toraka izany ireo efa voaheloka mandrapahafatiny. Miantso an-dRtoa Fanirisoa Herinaivo izy ireo noho izany mba hijery akaiky ny tranga hiainany na dia amin'ny maha-olombelona fotsiny ihany aza.
Pati
Légende : Feno tanteraka ny fonjaben'Antanimora ka tokony ilana fiheverana !
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap