natokana ho an’ireo voafonja manan-katao matahotra aretina sy ireo tera-tany vahiny efa manefa ny saziny na mbola miandry fitsarana. Ny efitrano natokana ho an’ny lehilahy no tena voakasik’izany izay marihina fa hofaina, misy vata fahitalavitra sy fandriana raha mbola miasa kosa hatramin’ny omaly fotoana nanoratanay ny efitrano natokana ho an’ny vehivavy. Noho ny fahatsapan’ny Minisitry ny fitsarana ny resaka kolikoly ao ambadik’izany no antony izay tonga nandalo teny an-toerana tampoka. Raha tsiahivina dia teo amin’ny 10 taona mahery teo no niasan’ity efitrano iray lehibe Maputo eny Antanimora ity, niorina tamin’ny andron’ny fitondrana Tetezamita natokana ho an’ireo gadra politika. Taty aoriana anefa dia lasa ho an’ny voafonja rehetra manam-bola izany. Efa nafindra any amin’ny fonja natokana ho an’ny daholobe avokoa moa ireo tavela tao Maputo ahitana Ministra teo aloha iray, depiote iray, mpiaro ny zon’ny mpanjifa iray…
Pati
Legende : Tsy mandray voafonja intsony aloha ny ao Maputo amin’izao !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny