airtel

Actualités

07-sept-2022

Actualités

Fonjaben’i Toamasina Mandoa 100 000 Ar ireo gadra dia …

Sample post image

Mandoa 100 000 Ariary isan-kerinandro mitomboka karne dia afaka mipetraka ivelany manohy asa andavan’andro ireo voafonja ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy - Toamasina,

07-sept-2022

hoy ny loharanom-baovao voaray. Isany nisitraka izany i R. C, 45 taona, voafonja lahy efa voatsara ary voaheloka 5 taona am-ponja, asa an-terivozona. Raharaha fanolanana zazalahy 13 taona tao Andranomadio ny volana novambra 2021 no nampidoboka azy. Ny 22 aogositra 2022 teo no nitsarana azy teo anivon’ny fitsarana heloka bevava Toamasina. Ny 23 aogositra 2022 dia efa hita niriaria sy manao asa aty ivelan’ny fonja izy. Fipetrahana aty ivelan’ny fonja izay sandaina 100 000 Ariary isan-kerinandro, araka ny fanadihadiana izay natao. Nandritry ny nahazoany sazy mihatra na MD sy taorian’ny fitsarana azy izany dia efa tsy tao am-ponja izy. Fantatra fa ny 30 aogositra 2021, andro voalohany, nampidirina azy MD ihany no mba natoriany tao amin’ny fonjan’i Toamasina. Araka ny vaovao voaray farany momba ity tranga ity, dia efa naverina any am-ponja i R.C amin’izao fotoana izao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap