airtel

Actualités

22-déc-2025

FREROT RALAIVAHINY-BANDEAU

ROUGE Miantso ireo olona

Sample post image

akaiky ny filoha mitady hivadika mba hiverin-dalana

22-déc-2025

Miantso ireo olona akaiky ny Filohan'ny fanavaozana ny Kolonely Randrianirina Mickaël mba hamerina ny fahatokisany ny Filoha sy mitady hivadika Ralaivahiny Frérot dit l'homme noir. Nohamafisiny mantsy fa tsy olona hanao bizinesina volamena....io Filoha io fa olona nalefan'Andriamanitra hanavotra an'i Madagasikara ka tokony hahasaro-piaro ny rehetra. Fantatra hoy izy fa efa misy olona manao serasera mikasika ny fanomanana ny filatsahany hofidiana sahady manodidina ny Filoha. Tsy te-hifanasa vangy aminareo izahay hoy Ralaivahiny Frérot fa raha mety sy azo hatao dia aleo miverin-dalana. Notsiahiviny moa fa olona tsara fo ny Filohan'ny fanavaozana. Tsy tia sehoseho ihany koa fa miasa mangina ho an'ny tombontsoam-bahoaka. Tafiditra ao anatin'izany ny fidinana ifotony tanterahiny any amin'ny Faritra mijery ireo tena maharary ny vahoaka. Tokony hotsapantsika vahoaka izany hoy izy. Nohantitranterin-dRalaivahiny Frérot fa na mpivavaka aza ny Filoha ( mpiandry) dia tsy tokony hohadinoana fa miaramila ihany koa izy ka tsy tokony hoararaotina sy hatao tsinontsinona.
Pati
Légende : Saro-piaro loatra amin'ny Filohan'ny fanavaozana Randrianirina Mickaël Ralaivahiny Frérot !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap
22-oct-2026

Nametraka fitoriana ireo mpiray fihaviana aminy

Card image cap
22-oct-2026

Mikatona 2 volana ny fanjonoana,

Card image cap
22-oct-2026

notolorana mari-boninahitra

Card image cap
21-oct-2026

Natsikafon’ny PRRM fa

Card image cap