airtel

Actualités

18-févr-2025

Front de libération national

«Andrakandramantsika daholo ny fiarahana amin’ny firenena rehetra»

Sample post image

Taratry ny fandraisan’ny olona ny diplaomasian’i Madagasikara ireny isika farany tamin’ny

18-févr-2025

fifidianana izay ho filohan’ny Vaomieran’ny vondrona afrikanina na CUA ireny, hoy ny antoko politika FLN na Front de libération national. Ny maha filohan’ny SADC ny filoham-pirenena malagasy atsy ho atsy akory tsy hoe fandresena diplaomatika antsika fa mandeha «tour» na fifandimbiasana io. Ny CUA kosa tena fifidianana mihitsy. Tarafin’ny olona amin’ny zava-bitanao rehetra ianao. Tarafin’ny olona amin’ny fitodik’ilay firenena koa ianao. Mazava ho azy fa taratra ny tsy ho lany ianao satria andro vitsy nialohan’ny fifidianana dia efa hita hoe hitodi-doha any amin’ny arabo. Mitodika any amin’ny firenena arabo ilay filoham-pirenena malagasy nefa ato amin’ny vondrona afrikanina no hirotsahan’i Madagasikara dia mazava ho azy fa azo antoka no tsy hahalany anao. Fomba fotsiny ihany ilay hoe notohanan’ny filohan’ny SADC ankehitriny ilay kandida malagasy mba hifidy azy ireo firenena mpikamban’ny SADC satria efa vava latsaka. Ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, no neritreretina ho kandidà teo aloha ka naha latsa-bava ny SADC hoe hanohana ny kandidàn’i Madagasikara. Kanjo moa rehefa tsy izay dia hita ihany hoe tsy nanohana ilay kandidà vaovao akory ny SADC tanatin’ilay fifidianana. Politika ivelany na «politique extérieur» ny diplaomasia. Mitodika amin’ny tombontsoan’i Afrika ve ny politikan’ny firenenao? Izay no hahatonga ny afrikanina hifidy anao sy hametraka anao amin’io toerana io. Raha mirona fotsiny any amin’ny tombontsoanao samirery io dia tsy hametraka anao eo mihitsy ny olona. Tsy fantatrao mazava tsara ny diplaomasian’i Madagasikara ankehitriny. Ao ny filazàna fa efa hiala amin’ny banky iraisampirenena sy FMI isika. Izao isika sady mitodika any amin’ny arabo. Ny arabo tsy mahavita inona loatra fa ohatrany mbola mijery izay azony atao nefa ny banky iraisampirenena sy FMI koa efa mamela antsika irery hiraviravy tanana eo dia ny sinoa izany io manjàka eto amintsika io nefa fantantsika tsara fa ny politikan’ny sinoa dia varotra no tena ataony. Tsy mahagaga raha mandefa entana be dia be eto izy nefa isika rehefa hamerina ny vidin’ireny entana ireny any aminy, noho ny tsy fananantsika devizy mifandanja amin’ny zavatra ahondrany eto dia mazava ho azy fa tsy maintsy ny harena an-kibon’ny tanintsika, sokatra, hena, hazandranomasina no alain’ny sinoa hanaovana an’izay. Tsy manana diplaomasia mazava i Madagasikara izao satria lasa manjary andrakandramantsika daholo ny fiarahana amin’ny firenena rehetra, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap