airtel

Actualités

23-juil-2026

GAZETY JEJOO

-LIONS CLUB ILOHASINA

Sample post image

Hiara-hiasa hifanohana amin'ireo ankizy tratry ny homamiadana

23-juil-2026

Hiara-kiasa hifanohana ho an'ny tombontsoan'ireo olona mararin'ny homamiadana ny gazetim-behivavy Jejoo sy ny fikambanana Lions Club Ilohasina Antananarivo, tarihin'ny Filohany Rakotoarivelo Mickaellah. Nanatanteraka sonia fifanakem-piaraha-miasa tetsy amin'ny Pho Resto Ampasamadinika ny roa omaly, notarihin-dRtoa Aina Raharifidy, tonian-dahatsoratry ny Jejoo mpisolo toerana. Andraikitra horaisin'ny gazety Jejoo sy ny Top Radio FM 102.8 mandritra izany ny famoahana ny vaovao rehetra mikasika ny asa sosialy tanterahin'ity fikambanana iray ity. Tafiditra ao anatin''izany ny mikasika ireo ankizy mararin'ny homamiadana. Ankizy miisa 5 mararin'ny homamiadana manaraka fitsaboana eo anivon'ny Hopitaly HJRA Ampefiloha mantsy hatreto no fantatra fa raisin'ny Lions Club Ilohasina an-tanana. Manomboka amin'ny fitiliana ilaina rehetra izany ka mandrapahatapitry ny fitsaboana farany atao amin'izy ireo. Noho ny fahatsapan'ny fikambanana ny fahasarotana amin'ny fitsaboana ity aretina ity eo amin'ny ankizy sy ny halafosan'ny sarany indrindra indrindra no nahatonga ny Fikambanana tapa-kevitra hanao izao tolo-tanana izao. Hiitatra tsikelikely amin'ireo marary hafa ihany ity fifanampiana ity ao aoriana ao raha ny nambaran-dRtoa Mickaëllah Rakotoarivelo Filohan'ny Lions Club Ilohasina Antananarivo. Haharitra 12 volana ny fiaraha-miasan'ny roa tonta. Tsiahivina moa fa tamin'ny taona 2007 no niorina ny gazetim-behivavy Jejoo. Ankoatra ny famoahana vaovao dia miresaka momba ny tontolo iainana, ny hatsaran-tareht sy bika ihany koa izy ireo. Tamin'ny taona 2018 izy no nanomboka nivoaka isan'andro izay manabe ny tanora sy manohana ara-tsaina ny vehivavy ihany koa. Efa misy ny fikambanana natsangany na ny Jejoo Club. Mitety faritra mañofana vehivavy ihany koa izy ireo mba hananan'ireto farany fahaleovan-tena tanteraka amin'ny lafiny rehetra.
Pati
Légende : Vonon-kiara-hiasa ny roa tonta ho fanampiana ny mpiara-belona !
 

Dans la même rubrique

23-juil-2026

Mitohy hatrany toa manao tohivakana

Card image cap
23-juil-2026

sisa ny vokarin’Andekaleka

Card image cap
23-juil-2026

Fotoana tena fikaraman'ny mpampanofa

Card image cap