Lasa miloko toy ny rano izy io raha vidiana amin’ny tavoahangy na bidon no sady maimbo solitanibe. Betsaka ireo mpampiasa fiara mandeha amin’ny gazoala efa lasibatra vokatr’izany ka velon-taraina mafy. Simba avokoa ny kojakojan’ny fiara tratran’io gazoala mitapoka io nefa ny vidiny o an-daniny efa tena tsy azo laizina intsony fa midangana andro aman’alina. Eo an-danin’izay dia tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ny gazoala, nefa tsy araka izay ny kalitao ilain’ny ankamaroan’ny mpanjifa akory. Ireo fiara mivoaka ny faritra moa no voalaza fa tena miaina sy mividy ity gazoala mitapoka ity koa hanaovan’izy ireo antso amin’ny tompon’andraikitra ny tokony hanaraha-maso izany. Aleo hoy ireo mpampiasa fiara mandeha amin’ny gazoala mba hitovy amin’ny vidiny ny kalitaon’ny solika omena ny mpanjifa.
Pati
Legende : Tahaka izao ny lokon’ilay gazoala vidiana amin’ny tavoahangy !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny