Ny 14 oktobra dia ahatsiarovana ny fetin’ny repoblika, hoy ny mpahaifiarahamonina, Gérard Ramamimampionona. Zava-bahoaka no resaka, hoy izy, vao maheno hoe repoblika. Izay fiheverana ny vahoaka izay, fanomezan-kasina azy, fihainoana azy, dia mila lalàna, rafitra mazava izany, mba hanompo vahoaka. Tokony ho an’ny vahoaka ny rafitra anaty lalàna! Izay no tena olana. Ny rafitra napetraka teto ve tena mifanaraka amin’ny fanasoavana ny vahoaka sa rafitra fiarovana tombontsoan’olon-tokana na ilay fifampiarovan’ny samy rafitra fotsiny ho fakàna tombontsoa? Natao ho fitaovana enti-miasa ho an’ny tombontsoam-bahoaka na raharaham-bahoaka ny rafitra. Eo nefa ny rafitra fa anaty rafitra koa misy olombelona. Io olombelona anaty rafitra io mety hanimba ilay rafitra rehefa tsy tsara ny lalàna mifehy ilay rafitra. Mety tsy afa-miasa araka ny tokony ho izy. Na rafitra tsara toa inona koa aza nefa ka olona lo no miasa ao anatiny, lo ara-tsaina na ara-tsoatoavina na demokrasia, dia lasa manaratsy endrika ilay rafitra koa. Mila zavatra maro ny rafitra. Mila lalàna, fitaovana enti-miasa, olonamanana fo sy fanahy, olona manana anto-pisiana hanompo firenena fa tsy hoe ilay rafitra indray no manindry vahoaka hoe tsy mahalala ahy angaha ianao? Rafitra izany no tokony hiondrika rehefa mahita vahoaka fa tsy hoe izy indray no milanja loha. Fototra ny lalàmpanorenana. Tokony hisy fikaonandoha nefa eo indray izany izao dia hisy hoe ity lalàmpanorenanay. Tsy afaka hiara-hihevitra lalàmpanorenana ifanarahana ve? Tokony rafitra teny ieràna no apetraka fa tsy nalaina tahaka tany amin’ny hafa any foana. Tokony hijery izay rafitra izay ny manam-pahaizana rehetra fa ny manahirana koa indraindray dia ilay samy rafitra indray no miady. Niaraha-nahita izany izao tamin’ny filoham-pirenena sy ny antenimieram-pirenena. Lasa rafitra mifaninana sy mifampijabajabaka andraikitra. Mila atao mazava tsara koa ny lalàna mba tsy hisian’ny fifandroritana. Misy mpahay lalàna sasany moa dia miteny izany mihitsy hoe aza dia atao mazava loatra ilay lalàna fa aleo mba hisy somary manahirana ahafahana manao izay tiana aminy! Lasa fihazakazahana akàna toerana sy tombontsoa eto ny rafitra. Izay mahatsiaro tena ho manana tanjaka eto dia hoe izahay tsy miresaka. Inona izany no ilàna an’io tolona io raha mbola hanao izany ihany? Vahaolana pomady izany tsy misy teny ieràna izany ary hampiverina ny tantara indray fa tsy mba ho lesona nalaina tamin’ny tantara. Resahana koa ny hoe tany misy olobe tsy miady zaza. Miady io ny tany dia tsy misy olobe ve izany eto? Miandry zaza hiady ve izany ny olobe vao handray andraikitra? Misy raiamandreny be dia be. Misy ny ara-panahy. Misy ny ara-tsaina sy ara-pahalalana na ara-pahendrena. Misy ny ara-piarahamonina. Maro ireo karazana raiamandreny eto amin’ny tany sy ny firenena. Ireny sy ny tanora no tokony hifanatona sy hifampiresaka izao. Mila mitandrina amin’ny karazana raiamandreny isika fa misy amin’izy ireny no hihazakazahan’ny kolikoly anaty toe-draharaha tahaka izao! Raiamandreny izany afaka mifanaja, mifampihaino, mifanolotra zavatra tsara hoe izao no tokony aroso ho an’ny tany sy ny firenena. Aoka tsy ho ny raiamandreny indray no ho lasa kilalao any ambadika any fa omeo lanja ny tanora, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
Mitady hivadika fitsaram-bahoaka
Mazava tsara ny resaky ny minisitry ny