airtel

Actualités

24-févr-2022

Actualités

Gerard Ramamimampionona “Lasa fitaovana ifamotehana ny tambazotra…”

Sample post image

Toy ny fitaovana rehetra eo am-pelantanan’olombelona ny fitaovan-tserasera, hoy ny filoha lefitry ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy, Gerard Ramamimampionona.

24-févr-2022


 Arakaraky ny fomba fampiasana azy no mahatsara na maha ratsy azy, hoy izy. Arakaraky ny olona mampiasa azy koa. Raha sanatrian’ny vava angady no natao hifampikapohana na ifamonoana dia zava-doza. Natao iasana tany ny angady. Toy izay koa ny fitaovan-tserasera. Mila ampiasaina am-pahendrena. Hanasoavana fiarahamonina no tena ilana ny tambazotran-tserasera. Ny mahasoa no tokony ho ao. Tena isan’ny toetsaina Malagasy ny hoe tokantrano tsy ahahaka. Tsy natao ho fantratry ny olona rehetra ny momba anao fa io arak’ilay tenin’olon-kendry hoe zava-masina tsirairay ny olona tsirairay. Misy fatra sy fetra ary fotoana sy sehatra tokony ahalalanao hoe ity tokony alefa ato fa tsy hoe ho atao fanta-bahoaka daholo izao rehetra izao. Misy koa hoe idiranao na tsia eo amin’ny fiainana. Mampifanjevo raha idirana daholo ary tsy mba misy hifanajana sy hasina fa lasa fitaovana ifamonoana sy ifanalam-baraka ilay tambazotran-tserasera. Toe-tsaina hifanatsara fa tsy hifampitsara no ilain’ny tsirairay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Namoaka tatitra momba ny ady amin’ny kolikoly mandritra ny taona 2023 ny tendrom-pitsarana manokana

Card image cap
02-mai-2024

Nitory ny Mpikamban’ny HCC na ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana eny amin’ny Fitsarana ambony na ny HCJ (Haute Cour de Justice)

Card image cap
02-mai-2024

Voatery teny an-dalambe no navoaka ny mofomamy nanamarihan’ny Randrana sendikaly ny fetin’ny asa omaly

Card image cap
02-mai-2024

hitodika amin’ny fanatsarana ny famatsiana ny rano fisotro madio eto amin’ny faritra Analamanga ny fitondrana.

Card image cap
02-mai-2024

Mahatratra 6 tapitrisa ireo olona mipetraka eto amin’ny lemak’Antananarivo amin’izao.

Card image cap
02-mai-2024

Nitombo hery ka nivadika ho andro ratsy na depression tropicale ilay tangoron-drahona ao Avaratry

Card image cap