airtel

Actualités

20-janv-2023

Actualités

Gérard Ramamimampionona “Mila mahay miara-monina ny fiangonana sy ny fanjakana”

Sample post image

Samy manana ny hasiny, lanjany, hajany, iraka ampanaovina azy ny fiangonana sy fitondram-panjakana eo amin’ny firenena iray sy maneran-tany, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana

20-janv-2023

malagasy na CFM teo aloha, Gérard Ramamimampionona. Vahoaka iray ihany anefa, hoy izy, no iantefan’ny asan’ny fiangonana sy ny fitondram-panjakana. Mila mahay miara-monina sy mifameno ary mifampitantana fatratra anaty fifampitokisana feno toy ny mpirahalahy mianala, noho izany, ny fiangonana sy fitondram-panjakana ka samy manao ny andraikiny sy ny asany am-pahamarinana ao anatin’ny feon’ny fieritreretany. Eo anatrehan’Andriamanitra sy ny tanindrazana fa izay no antoky ny fandrosoana sy fiadanana. Antenaina fa samy olobe, samy raiamandreny manam-panahy, samy voaantso sy voahiraka na ny mpitondra fiangonana na mpitondra fanjakana isan’ambaratongany. Samy afaka mandini-tena sy mandanjalanja fatratra ka mahay misoroka na mandamina sy manasitrana izay rehetra disadisa na lonilony. Ho ohatra tsara sy velona ho an’ny mpino sy ny vahoaka tsy an-kanavaka ka hankamamiana mandrakariva ny filaminana, ny fitoniam-po, ny fiarahamonina. Hanalavitra kosa ny fifampitsarana zary fifanaratsiana ary tonga fifampiapangana zary mampisaratsaraka. Tsy mahasoa antsika sy ny tanindrazana izany. Tsara angamba raha atodika any amin’izay fifampitantanana tokony hisy eo amin’ny fiangonana sy fanjakana ny fo sy ny sain’ny rehetra fa tsy sanatria hifampitsara, hifanaratsy ary hanamarin-tena. Tsy afaka mifampitantana raha tsy mifankatia, mifanaja, mifampatoky, mifampitarika ho amin’ny tsara. Mila mandini-tena marina ny rehetra. Mba samy miteny sy mihaino am-pitiavana sy fahamarinana ka miaina sy manao ny andraikiny manandrify azy avy, araka izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap