Ny fahantrana amin’ny lafiny maro no mahatonga ny fitsaràm-bahoaka, hoy ny mpahaifiarahamonina, Gérard Ramamimampionona. Vokatr’izay, hoy izy, dia lasa anaty habibiana isika. Voalohany amin’izany ny fahantrana ara-panabeazana. Vokatry ny fahantrana dia mba te hanankarena sy manao zava-doza toy izany hoe manataka kibom-behivavy izany. Vokatry ny fahantrana dia manary dia amin’ny zava-mahadomelina. Lasa te hifamaly faty ny eo anivon’ny fiarahamonina fa tsy mba hifamela. Eo koa ny fahantrana ara-piarahamonina sy ara-toekarena. Eo ny ara-kolontsaina, indrindra, ara-tsoatoavina satria tsy manana ny atao hoe «moralité» na fahatongavan-tsaina intsony. Mahantra dia tsy mahafehy fihetseham-po ny olona fa vao misy zavatra mafimafy hita dia tsy maintsy mirongatra. Tsy fahalalàna ny lalàna efa eo. Ny vahoaka koa tsy matoky ny fitsaràna. Mbola mariky ny fahantrana ara-panahy sy fahamarinana izany. Very ny fahamarinana, ny fifampatokisana, ny olona sahirana mifehy fihetseham-po, ny zava-mahadomelina miparitaka sy ny isan-karazany. Mila miady amin’izany karazam-pahantrana rehetra izany isika raha tiana ny hanafoana ny fitsaràm-bahoaka. Ny resaka mamoafady anaty tambazotran-tserasera koa dia maneho hoe lasa tsy ny soatoavina mametraka ho ambony ny hasina sy haja maha olombelona intsony no maha maika ny olona fa ny fireharehana, laza, voninahitra hoe mahazo «j’aime» betsaka anaty tambazotran-tserasera. Izany no tiantsika haparitaka. Ireny zavatra adaladala sy maherihery setra ireny no be mpijery. Mbola endrik’ilay fiarahamonina ihany izany. Izany no lasa ifaninanana anaty fiarahamonina. Aiza moa no tsy hipetraka ny fanontaniana hoe sao tsy tokony hampiasa Facebook intsony isika? Tsy ny Facebook no ratsy fa ny fiarahamonina bataintsika ao! Ianao anaty fiarahamonina zatra mpanao vetaveta na resaka mamoafady no entinao ao dia lasa ohatrany hoe ilay Facebook na Instagram na Twitter sy ny karazany no ratsy. Tsy ny Facebook no manompa olona fa ilay olona mpampiasa Facebook. Mila fahatongavan-tsaina ny rehetra na sekoly na fiangonana na iza eo amin’ny fiarahamonina hoe rehefa hita fa hamotika fiarahamonina ny toy izao dia aleo ajanona! Ny fitaovana rehetra dia natao ho ampiasaina ho an’ny tombontsoan’ny olombelona. Samy manana ny fitaovana natao ho ampiasainy ny rehetra. Izany no mahatonga ny hoe ny mpitandro filaminana no natao hitana basy, ohatra, mba tsy ho izay te hamono olona rehetra dia hitana basy. Zava-marina, mampiombona, mampandroso no tokony mba aely anaty tambazotran-tserasera fa tsy izay mampisara-bazana na mamono ny hafa sy ity ratsy rehetra ity, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»