airtel

Actualités

13-juil-2026

GEYSERS- CHUTE DE LA LILY

Mpitari-dia sy mpanotra 100

Sample post image

mianadahy nomena fiofanana

13-juil-2026

Mpitari-dia sy mpanotra 100 mianadahy no fantatra fa nahazo fiofanana ny faran'ny herinandro teo tany Ampefy, distrikan'Arivonimamo. Ireo miasa sy mivelona ao amin'ny Chute de la Lily sy Geysers no tena nahazo tombontsoa tamin'izany hahafahana mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany any amin'iny faritra Itasy iny. Tompon'andraikitra avy eo anivon'ny Ministera mpiahy sy ny sehatra tsy miankina no tonga nanome fiofanana azy ireo. Tanjona raha araka ny fanazavana azo ny mba hanatsarana ny fitantanana ny harem-bakoka iraisam-pirenena eto amintsika arahin'ny fampiakarana ny traikefa sy ny fahalalana hananan'ireo olona mivelona any amin'izany toerana izany. Hiitatra any amin'ireo toerana hafa misy harem-bakoka moa izao fiofanana tanterahin'ny Ministera izao.
Pati
Légende : Harem-bakoka mampiavaka an'i Madagasikara ny toerana tahaka izao !

 

Dans la même rubrique