Voasokajy ho isan’ireo rivodoza mahery vaika indrindra namely an’i Madagasikara i Gezani, izy raha ny tanjany teo am-pidirana tao Toamasina ny takarivan’ny talata febroary teo, ary toa mampitombina an’ilay filazana fa rehefa miantomboka G ny rivodoza eto amintsika dia henjakenjana (Geralda 1994, Grettelle 1997, Gafilo 2004, Giovanna 2012, Gezani 2026). Anisan’ny voalaza fa anisan’ny mafy indrindra ihany koa moa ny rivodoza Honorina tany amin’ny 1986, raha ny fitantaran’ireo niaina izany. Mikasika an’i Gezani teo kosa, tao anatin’ny tanjaka CTI (Cyclone Tropicale Très Intense) nitondra tafiotra hatrany amin’ny 240km isan’ora, izay tena nampitondra fahoriana ny faritra Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, hatraty Analamanga,… na efa nihena tany amin’ny 55km isan’ora aza teo am-pivoahany omaly tamin’ny 5 ora hariva, tany amin’ny distrikan’Antsalova. Isan’ny mari-pandrefesana ao Toamasina moa ny hoe rehefa manongotra sy manapaka ireo voanio eo anoloan’ny lapan’ny tanàna dia efa tena zava-doza, ka izay no nitranga. Mahery vaika foana ihany koa matetika ny rivodoza miforona avy ao amin’ny ranomasina Indianina.
POTIKA 80-90% I TOAMASINA
Potika 80-90% any ho any i Toamasina, raha ny tatitra ofisialy. Distrika 16 tao anatin’ireo faritra 4 voalaza etsy ambony no tena voakasika. Hatramin’ny omaly tamin’ny 1ora tolakandro. Tafakatra 31ireo namoy ny ainy (29 Toamasina II, 2 Ambatondrazaka). Anisan’ireo ny fahafatesana zazakely 3 taona maty nianjaran’ny fefy tao Bungalow lovasoa Mangarano I Toamasina, ny lehilahy iray mpitari-posy hita faty teo amin’ny Dépôt Galana, ny zaza vao 5 taona maty tao anaty lakandrano Ambatondrazaka Renivohitra, zazalahy 13 taona maty nianjeran’ny trano tany Ambohimanjaka Kaominina Didy Ambatondrazaka ; nisy iray hafa namoy ny ainy ihany koa tao amin’ity kaominina isan’ny lasa mitoka-monina tanteraka ity,… Tena zava-doza ihany koa ny fisian’ireo olona 11 niaraka maty tao Toamasina II nisiana zaza amam-behivavy ka zazalahy 6 volana ny iray ary nisy vehivavy roa, izay nentin’ny rivotra ny kaontenera nialofan’izy ireo ka tonga teny afovoan-drano. 4 ny olona mbola tsy hita popoka ; 250.406 avy amin’ny tokantrano 68.406 no traboina ; 6.870 (1.743 tokantrano) no tsy maintsy nafindra toerana Mbola vao tombana vonjimaika ireo, fa ahiana ho mbola mihoatra lavitra noho izany, raha ny fahavoazana goavana any amin’ireo distriaka samihafa, toa an’i Toamasina I, Toamasina II, Brickaville, Ambatondrazaka, Andilamena,… Betsaka trano fonenana, fotodrafitrasa potika toy ny trano fianarana, trano fiangonana,… Anisan’ny nirodana ohatra ny lisea ao Bejofo ao Ambatondrazaka. Ny ao Toamasina lasibatra hatramin’ny Gymnase izay vao notokanana herintaona teo, ny sambo voabatan’ny rivotra, ny fiara voahongan’ny rivotra, ny andrin-jiro « béton » voarodan’ny rivotra, ny famokarana herinaratra ao Andekaleka voatery naato,…
MIHETSIKA NY GOVERNEMANTA SY NY RAFITRA MARO
Miisa 28 ireo toerana fandraisana ireo traboina na « Sites d’hébergements » manerana ireo distrika 16 ao anatin’ireo faritra 4 voakasika. Ankoatra ny Filoham-pirenena sy ireo delegasionina tarihiny izay manao fandrindrana sy niatrika ary mitondra vahaolana mivantana sy vonjy rano vaky ho an’ny vahoaka, nanapa-kevitra ihany koa ny Governemanta ny handefa fiaramanidina amin’ny dingana roa mifanesy. Dingana voalohany ny fitaterana ireo mpiasan’ny vonjy taitra sy ekipa teknika nanampy ny efa any, tonga omaly tolakandro. Dingana faharoa : fandefasana sakafo sy fitaovana maika fanampin’ireo izay efa any. Napetraka ihany koa ny rafitra fandefasana hafatra fohy (SMS broadcasting) amin’ny toerana misy ny olona ahiana hisian’ny loza (oh : fihotsahan’ny tany na rano miakatra …) , ho fanamafisana ny fampitam-baovao sy fanairana ny mponina voakasika mba handraisana fepetra haingana. Miara-mientana ny sehatra rehetra miandraikitra ny asa maha-olona mba hiantohana ny fandraisana andraikitra mirindra ho an’ireo traboina. Anisan’ny asa iarahana : fitadiavana vahaolana maika momba ny fitaterana sy famatsiana solika ; famerenana tsikelikely ny herinaratra ; fanaraha-maso ny vidin’ny akora fanorenana ; fandrindrana ara-pitsaboana,… Ahetsika sy mihetsika ireo sehatra maro amin’ny fanohanana ara-tsosialy sy maha-olona ny ONN (Office National de Nutrition ), Croix Rouge, zandary an-jatony avy eto Antananarivo,…
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»