airtel

Actualités

29-oct-2025

Governemanta hamaha olana, hanova, hanadio,…

Mila vokatra anatin’ny 60 andro!

Sample post image

Hanenjana amin’ny kolikoly !

29-oct-2025

Nitsangana ofisialy ny governemanta voalohany ao anatin’ny Fiadidian’ny Fanaovaozana ny Repoblika tarihin’ny Filoham-panjakana Kolonely Michael Randrianirina sy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo. Namafisin’ny Filoham-panjakana omaly, fa nandroso ireo vina sy tetikasa tsy azo hihodivirana izy ireo, ary nanolotra ny politika ankampoben’ny Fanjakana misy teboka stratejika tsy maintsy tanterahana, ka mitaky vokatra haingana sy azo tsapain-tanana amin’ny fiainam-bahoaka ho an’ireo Mpikamban’ny governemanta. Ao anatin’ny 2 taona ny fe-potoan’ny tetezamita, ka mitaky fomba fiasa haingana. Teboka telo misongadina tsara no iraka sy itakiana fahombiazana amin’ireo mpikamban’ny governemanta. Voalohany ny fitadiavam-bahaolana faran’izay haingana amin’ireo sehatra tena marary sy akaiky ny vahoaka : vahaolan’ny angovo, fandriampahalemana, fahasalamana, fampianarana, soatoavina, famehezana ny vidin’entana ilaina andavanandro, politikam-pitsitsiana, seha-pihariana rehetra mampidi-bola ny Fanjakana toy ny fizahantany, fambolena, lavanila,… Hametraka tontolom-pandraharahana tony sy milamina, hanenjika ireo fanetriben’ny Firenena, famerenena ny harem-pirenena nahodinkodina. Teboka faharoa ny fametrahana ireo paikady hoenti-mametraka ny fototry ny politika fanarenana ny rafi-pitondrana sy rafi-pitantanana mifandraika amin’ny filam-bahoaka. Teboka fahatelo ny fikarakarana sy atrikasa marolafy hoenti-mandrafitra ny lalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana. Noho ny hamehana noho ny fahateren’ny fotoana dia tsy maintsy miroso faran’izay haingana. Namarika ny Filoham-panjakana fa nisy ny fihaonana natao tamin’ireo herivelona teto amin’ny Firenena nahafahana nandray fanapahan-kevitra voadinika tsara sy voalanjalanja, ka tsy mivaona amin’ireo hevi-dehibe anatin’ny Politikam-panjakana. Tsy maintsy hita soritra ao anatin’ny 2 volana na 60 andro raha ela indrindratra ny vokatry ny fahatanterahan’ny politikam-panjakana, ka ny tsy fahantanterahana sy tsy fisiana vokatra dia midika tsy fahombiazana, ka mitondra makany amin’ny fanovana ny Mpikamban’ny governemanta. Namafisina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra io. Niantso ireo Minisitra ho mendrika amin’ny fitokisana, hanompo vahoaka fa tsy ho tompoina, mpiasam-bahoaka ka manana tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka, tsy tokony hamerina ny fanao teo aloha toy ny fandrobana harem-pirenena, hanao herisetra, hanao kolikoly, ka tsy namanareo, tsy hiaro anareo, handray fepetra tsy misy hindrafo. Tokony ho taratry ny fanavaozana ny Firenena. Takiana hampita tsy miato ny asa sy ny vokatra, ary tahaka izany ihany koa amin’ny mpiasam-panjakana. Miantso fifanomezan-tanana amin’ny Malagasy anatin’ny fametrahana politikam-panovana. Nanamafy ny fahavononana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny fanomezana aina ny politikam-panarenana an’i Madagasikara. Fiaraha-miasa madio, mahomby, mirindra araka ny rariny sy hitsiny mikatsaka ny tombotsoa iombonana. Nanamarika ny Filoham-panjakana fa sary nitondrana ny Fanjakana, ka tokony handray ny vahoaka fa tsy hiavonavona ireo mpikamban’ny governemanta. Tsy handefitra amin’ny paikady mahomby haminganana ny fanovana kosa ny Fanjakana raha ny fanamarihan’ny Filoha Kolonely Michael Randrianirina.
Toky R

 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

politika sy mpitondra ny mitandrina vava tsy ambina!»

Card image cap
06-févr-2026

amin'izao Fitondrana izao

Card image cap
06-févr-2026

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

Card image cap
06-févr-2026

noraisina ny masoivoho vaovao

Card image cap
06-févr-2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Card image cap