airtel

Actualités

31-janv-2024

Habetsaky ny rotsak’orana

Distrika maromaro nahazo fampitandremana

Sample post image

Ahiana ho betsaka ny rotsak’orana (hahatratra 40 hatramin’ny 80 mm ao anatin’ny 24 ora)

31-janv-2024

any amin’ny morontsiraky ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo atsinanana ato anatin’ny roa andro manaraka, dia anio 31 janoary hatramin’ny rahampitso 01 febroary, araka ny fampahafantarana nataon’ny Foibe famantarana ny toetr’andro. Nisy noho izany ny fampitandremana eo anatrehan’ny mety hahabe ny rotsak’orana, izay mikorontana ny asa aman-draharaha andavan’andro, hampiandrona ny rano amin'ireo toerana mora tondraka. Nahazo fampitandreana miloko mavo ny distrikan’i Nosy Varika, Mananjary, Manakara, Vohipeno, Farafangana ary Vangaindrano. Nentanina ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen'ny manam-pahefana eny ifotony. Mifandraika amin’io rahateo ny fampitandremana mikasika ny fanonjan’ny ranomasina satria hanonja be na hahery ny ranomasina ka ho 2 hatramin'ny 3m ny haavon'ny onja any amin'ny morontsiraka eo anelanelan' i Mananjary sy ny tanjona Angotsy; Hahery ny ranomasina ka ho 2,5 hatramin’ny 3,5m eo anelanelan'i Mananjary hatrany Toliara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Nitombo 12% tamin’ny volana aprily teo raha oharina ny tamin'ny volana aprily 2023 ny mpizahatany

Card image cap
17-mai-2024

Taorian’ny Minisitry ny filaminana anatiny herinandro latsaka izay nidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
17-mai-2024

Vehivavy iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty tao Fitroafana Talatamaty,

Card image cap
17-mai-2024

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 16 mey tetikasa telo vaovao eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana,

Card image cap
16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap