kaominina ambanivohitr'Alasora. Zazavavy kely miisa telo no naolana telolahy be ka notambazan'izy 100 Ar avy rehefa avy naolany. Natolotra ny fampanoavana omaly Alatsinainy 15 Septambra folakandro izy telo lahy efa ampy taona ireo. Vao 6 taona kosa ny roa tamin'ireo zazavavy kely raha fito taona ny iray. Ny anadahin-dRenin'iray tamin'ireo zazavavy kely lasibatra ireo no nahatsikaritra ny zava-nisy ka nampandre ny renin'ilay zaza raha tsiahivina kely ny tantara. Nitondra ny raharaha teny amin'ny borigadin'Alasora ity farany noho izany. Tadidin'ireto ankizy vavy kely ireto tsara ny tarehin'izy telo lahy izay nanao ny fanolanana ary tamin'izany no nahafantarana fa notambazan'ireo tsy mataho-tody vola ariary 100 avy izy telo mba tsy hiteniteny rehefa vitany ny nataony. Ny alatsinainy 08 Septembra lasa teo moa no nitrangan'ity fanolanana ity ka efa naiditra am-ponja avokoa izy telolahy.
Pati
Légende : Ireo tsy mataho-tody !
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»