airtel

Actualités

03-avril-2023

Actualités

Hahena ny làlan-jotra momba ny vary “Tsy hambotry ny tantsaha, tsy hamono ny mpanjifa”

Sample post image

Nihaona sy niresaka mivantana tamin’ireo tambajotra momba ny vary tany Imeritsiatosika ny Minisitry ny

03-avril-2023

fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy sy ny ekipany ny sabotsy 01 aprily teo, niara-nijery ny fomba hanamorana ny làlan-jotra eo amin’ity sehatra ity. Imeritsiatosika izay mamoaka vary 150 taonina isan’andro eo, hamatsiana ny tsena. “Efa mba nisafidy isika hoe: malalaka ny tsena, ka tsy hametra ny vidim-barin’ny tantsaha. Tsy handroso isika raha ny tantsaha izay 75 hatramin’ny 80%-n’ny Malagasy no maty antoka”, hoy ny Minisitra. Niakatra izay tsy izy ny vidim-bary tao ho ao satria anatin’ny maitso ahitra, mitaraina ny mpanjifa, ary manery mihitsy ny Fanjakana hoe: fero sy fehezo io vidim-bary io, fa isika nilaza hoe: raha hifehy sy hametra ny varin’ny tantsaha dia tsy hanao izany, hoy hatrany io minisitra io. Vahaolana noraisina ny hijerena ny mason-karena sy izay hahafoy ny làlan-jotran’ny vary mandra-pahatonga any amin’ny mpanjifa. Misy mpanelanelana, misy mpanangona, mpitoto, mpamongady,… samy Malagasy ary samy tokony hahazo tombony fa tsy tokony halavaina loatra satria lasa any amin’ny mpanjifa no hifatraran’ny fiakarany, hoy ny Minisitra. Nambaran’ny Filohan’ny Filan-kevi-pitantanana ny Vondrona MANOVA tantsaha mpamboly, Atoa Clément Razafiarison fa vonona sy mankasitraka ny fiaraha-miasa amin’ny minisitera izy ireo, ary naneho fa tokony ho 1500Ar eo ny kilaon’ny vary akotry miainga avy eny amin’ny tantsaha mpamboly, mba ahafahan’izy ireo mivelona sy mampiroborobo ny voly vary. Arovana ny tantsaha, ary raha voatazona io tsy latsaka ny 1500Ar ny kilaon’ny vary akotry io, dia tsy tokony hihoatra ny 3000 ny vidim-bary fotsy, efa tokony efa hahazo tombony aza ny rehetra raha manodidina ny 2800Ar na 2900Ar ny kilaon’ny vary eto an-toerana, hoy kosa ny Minisitra. Jerena miaraka amin’ny Minisiteran’ny fambolena ihany koa ny hampiakarana ny vokatra, ka anisan’izany ny fanaparihana ny zezika izay vokarina eto. Miainga amin’izany no handankalanjana ny tsy hanafarana vary satria tena tsy ampy ny vary rehefa maitso ahitra, mety hiakatra hatramin’ny 5000Ar ny kilao, raha vao tsy ampy ny tolotra.
HIVIDY SY HANAPARITAKA VARY NY SPM
Mba tsy hahalava be ny lalan-jotra, hividy vary avy hatrany eny amin’ny mpamongady eny ifotony ny SPM (State Procurment of Madagascar) ka hamatsy ireo mpaninjara. 25 taonina no nisantarana izany ny sabotsy teo tao Imerintsiatosika. Ezahina ho 60 hatramin’ny 100 taonina isan-kerinandro. Ao anatin’ny iray volana io, fa havela malalaka ny rehetra aorian’izay satria efa hiakatra ny vokatra, ary halalaka ny tsena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap
27-mars-2024

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza, ary nomena ny anarana hoe “GAMANE

Card image cap
27-mars-2024

Lehilahy iray 26 taona indray no tratra nanolana zazavavy kely vao 14 taona monja tany Miarinarivo,

Card image cap
26-mars-2024

Nahatratra 35 isa ny fitarainana azon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona

Card image cap
26-mars-2024

Misy andro ratsy miforona any Atsinanan’ny Faritra SAVA any amin’ny ranomasimbe Indiana.

Card image cap