ka ianareo no zatra manao fampanantenana poakaty, ny anareo fampanantenana fa ny ahy velirano, hoy i Andry Rajoelina nandritra ny fitokanana iero ambarany fa asa vitany, izay tao anaty taom-piasana 5 taona vao vita ny Miami. Ny Boulevard Ratsimilaho 1800m no hireharehana mafy fa ireo hafa nampanantenaina toy ny « voie » rapide 10km nametrahana vato fototra hatramin’ny 2019 tsy vita, ny autoroute mbola lavitr’ezaka, ny RN 2 izay tena ain’ny toekarena fampanantenana lava no betsaka. Lazaina fa làlana efa tamin’ny fanjanahantany, mavesatra ny kamio, 40 taonina no tokony ho entiny kanefa 60 no entiny, ary isaky ny mandeha ampanantenaina hatao foana. Raha vita 7 na 8ora ny làlana Antananarivo-Toamasina tany aloha, dia 13 na 14ora ankehitriny. Miala kely an’i Toamasina ihany koa dia efa henjana ny haratsian-dàlana miazo an’i Foulpointe izay isan’ny toerana mahasintona mpizahatany. Tsy maintsy ho vita hatramin’ny faran’ny taom-piasany ny « Autoroute », hoy i Andry Rajolina. Ekena izany, fa mby aiza ary ilay 80km mialohan’ny faran’ny 2023 fa efa misasaka ihany koa ity ny 2024? Mby aiza ilay « voie rapide » nametrahana vato fototra ny aprily 2019 ? Nampanantena fa hamboarina avokoa ny làlana simba ao Toamasina. Voaporofo foana fa ny an-dry zareo dia izay mahafinaritra aloha vao ny mahasoa. Miharihary hatrany ilay hoe hanenjika ny « haute saison » amin’ny fizahantany sy ny fialan-tsasatra lehibe dia notokanana ireto mamirapîtra ireto. Ilay làlana manitsy « voie rapide » sy ny RN2 anefa mihitsoka kanefa 70% n'ny fifamezivezen entana eto Madagasikara. Ny seranantsambon’i Toamasina no seranantsambo lehibe indrindra eto Madagasikara fa tsy nahamaika ny nanao azy fa fampanantenana lava. Haingo ambony tsikoko lava !
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny