airtel

Actualités

19-avril-2023

Actualités

Haingo Paradis «Zava-doza sy hitera-doza raha havoaka eto ny marina»

Sample post image

Misy olona mahatsiaro voatohitohina mafy amin’ity ady ataoko eo anivon'ny minisiteran’ny fahasalamana ity, hoy ny mpisehatra ara-tsosialy sady mpandinika fiarahamonina,

19-avril-2023

Haingo Paradis, dia manao ny fomba rehetra mihitsy mba hampiverin-dalana ahy. Ny tsy fantany anefa, hoy izy, dia tsy karazan'olona miverina amin’ny fanampahan-kevitro aho, indrindra, hoe ahasoa ny mpiray tanindrazana amiko sy ny fireneko no hijoroako. Tsy voavidy vola aho satria tsy hitondra afa-tsy tanam-polo raha miala ety. Ampy hodiako any amin’ny mandrakizay ny fahatsapako fa misy malagasy avotra sy nilamina noho ny fisiako eto. Aina no resaka fa tsy hoe aina no lalaovina. Zava-doza sy hitera-doza raha havoaka eto ny marina. Tiako loatra ny mpiray tanindrazana amiko dia tsy ho ratraiko satria efa ampy azy ireo ny marary azy. Tsy vatrako ny hitazam-potsiny ny zavatra misy fantatro ankehitriny. Efa eto an-tanako ny fiadiana rehetra. Misaotra anareo vonona sy mifanohana amiko ankehitriny. Tsy hananako havana na namana ny ezaka hataoko hamonjeko ny mpiray tanindrazana amiko. Tsy vola, tsy seza, tsy sitraka sy voninahitra fa fitiavan-tanindrazana tsy misy tambiny no hijoroako. Tsy manaja ny minisitra sy ny ekipany hono aho. Ny antoko PSD aza hono nilaza azy ho matanjaka fa nankaiza izy izao? Inona hono izay izaho? Kanefa mikoropaka mamory ny mpitsabo sy ny «Paramédicaux» zareo. Isan'ny santionan-dresaka alefa handemena ahy izany fa izaho efa miteny fa tsy hanaiky hatramin’ny farany raha tsy voarain'ny filoham-pirenena ny porofo rehetra aty amiko fa tsy izy ianareo. Aza adino fa Davida Kely aza nandresy an'i Goliata. Andao! Mitohy ny tantara, hoy hatrany ity mpisehatra ara-tsosialy ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap