airtel

Actualités

25-juil-2024

Haintrano mahatsiravina tao Antsirabe

Olona 4 nahitana tera-bao sy ankizy 2 hotohoton’ny afo

Sample post image

Nisehoana hain-trano mahatsiravina tao Ampantana ao Andranomaimbo Antsirabe

25-juil-2024

ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia 24 jolay tokony ho tamin’ny 10ora alina. Teo amin’ny faritra misy ireo mpivarotra kojakoja efa niasa na braokatera no nisehoany. Fipoahana voalaza fa niainga tao amin’ny « bar » iray no niandohany, ary tsy iray fa zavatra maro no voalaza fa nipoaka. Vokany, trano hatrany amin’ny 13 tafo no may kila forehitra, ka ny tena zava-doza dia olona miisa 4 no may hotohoton’ny afo tao anatin’izany. Ny roa tamin’ireo dia vehivavy vao tera-bao nody tao an-tokantrano ny marainan’ny talata rehefa avy tany amin’ny tany amin’ny hopitaly. Ny roa kosa dia zaza roa izay vao 7 sy 5 taona monja. May hotohoton’ny afo tanteraka izy 4 mianaka kely ireo. Trano hazo moa ny ankamaroan’ireo trano, ka vao mainka nampihanaka ny afo. 13 tafo no tena hotoho, tsy nisy noraisina, ary tafakatra 44 ireo tokantrano misy ny fianankaviana traboina ao anatin’izany. Efa nisy moa ny fanampiana samihafa toy ny nataon’ny eo anivon’ny fiadidian’ny kaominina Antsirabe ambonivohitra sy ny olom-boafidy sasany any an-toerana. Na izany aza, henjana ny fahavoazana, ka hirariana ny hisian’ny tohana hanarenana ny fiainan’ireo lasibatra.
Nangonin’i Toky R


 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,

Card image cap
22-mai-2025

Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly

Card image cap
22-mai-2025

Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana

Card image cap
22-mai-2025

An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.

Card image cap
22-mai-2025

Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :

Card image cap
21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap