haintrano nitranga tao Ehovatraha, Faritra Anosy. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nitrangana haintrano tao tao amin’ity tanana ity Zoma 24 Mey lasa teo. Vokatry ny tsy fitandremana avy amin’ny tokantrano iray no nahatonga ny loza hany ka lasa lavenona tao anatin’ny indray mipi-maso ireo fananana nohariana am-polony taonany maro…. Tsy niandry ela fa tonga nijery ireo traboina ny avy eo anivon'ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamana ao amin’ny Faritra Anosy izay nisolo tena ny Ministeran'ny Fahasalamam-Bahoaka. Ankoatra ny fitondran’izy ireo izay voatsirambin’ny tanany ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana traboina dia noraisin’izy ireo an-tanana ihany koa ny fitsaboana maimaim-poana ireo olona mila izany. Tsy vitsy mantsy ireo niakatra tosi-dra tampoka vokatry ny fahatairana naterak’ity haintrano nitranga tao Ehovatraha ity indrindra fa ireo efa nahazoazo taona.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana fanampiana ireo traboina sy ny fandraisana an-tanana ny fahasalamany !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny